PolitikaSongadim-baovao

FILANKEVITRY NY MINISITRA TAO TOLIARA : Nifantoka tamin’ireo tetikasa hitondra fampandrosoana ny faritra Atsimo

Notanterahina tao amin’ny trano fandraisambahiny Vahiné, tao Toliara, ny filankevitry ny minisitra, ivelan’Antananarivo, omaly. Nitarika izany ny Filoha Andry Rajoelina niaraka tamin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Christian Ntsay. Tonga avokoa ireo mpikamban’ny Governemanta rehetra nanatrika ny filan-kevitry ny minisitra. Amin’ny maha itsinjaram-pahefana ifotony ny filankevitra dia nifantoka tanteraka tamin’ireo fandraisana fanapahan-kevitra sy fandinihana ireo tetikasa hitondra fampandrosoana ho an’i Toliara manokana sy ny faritra Atsimon’i Madagasikara manontolo ny filan-kevitry ny minisitra.

Anisan’ny tetikasa tena goavana izay efa an-dalam-pahavitana tanteraka ary nanaovan’ny Filoha Andry Rajoelina voady tamin’ny vahoakan’ny Faritra Atsimo ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 na ny RN13.  Efa ho vita tanteraka ny ampahany izany mampitohy an’i Tolagnaro- Amboasary  sy Ambovombe. Ho avy any an-toerana hitsidika ny fotodrafitrasa mihitsy ny Filoha Andry Rajoelina amin’izao fandehanany any Atsimo izao, hijery ny RN 13. Hotohizana ny RN 13 satria efa nankatoavin’ny Banky Iraisampirenena ny hamatsiana vola 130 tapitrisa dolara ny fanamboarana ny « RN 13 » mampitohy an’Ambovombe sy Ampamata. Mirefy 107 kilometatra io lalana io.  Nankatoavina omaly tao anatin’ny filankevitra koa, ny hanohizana ny fanamboarana ny RN 13, mampitohy an’Ikalamainty hatrany Betroka, izay mirefy 118 kilometatra. Eo koa ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-10.

Hapetraka amin’ny fomba ofisialy ny zoma ho avy izao, ny vato fototra hanamarika ara-pomba ofisialy ny fanombohan’ny RN10. Tsy maintsy ho vita afaka roa taona ny fanamboarana ny RN 10. Efa vita avokoa ny antso tolo-bidy sy ny pitsopitsony ara-bola momba ny RN 10. Mampitohy an’Ampanihy, Beloha sy Ambovombe ny RN 10. 400 kilometatra ny RN10, izay mandalo ao Andranovory, Tongobory, Betioky Atsimo, Ejeda, Ampanhy Atsimo, Beloha, Tsihombe sy Ambovombe.

Manana tanjaka 5MW…

Ankoatra izay, hanatanteraka tetikasa hamaly sy hitondra vahaolana mivantana amin’ny famatsiana angovo ao Toliara koa ny Filoha, amin’ny alalan’ny fametrahana ny toby famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro na ny « parc solaire ». Manana tanjaka 5MW ny toby apetraka ka hisy ny dingana voalohany hametrahana ny 2,5MW sy ny dingana faharoa, hametrahana ny 2,5 MW ambiny.  Ho an’ny taona 2026 kosa, ampakarina ho 10 MW ny famokarana, amin’ny alalan’ny toby mandeha amin’ny herin’ny masoandro.

Mandray anjara amin’ny fanamboarana ny lalana koa ny tetikasa PIC andiany faha -3. 71 tapitrisa dolara ny tetibola natokan’ny PIC 3 ho an’ny tetikasa  manerana ny Nosy ary mahazo anjara amin’izany i Toliara. Toy ny fanamboarana ny lalana an-tampon-tanànan’i Toliara 7km + 6 km an-drenivohitra. Eo koa ny fananganana  baka  vaovao ao Fiavota, izay mampifandray an’i Saint-Augustin sy Anakao. Ny fanamboarana ny  lalana rarivato mirefy 10 km, amin’ireo lalankely : Mahavatse I & II, Tsimenatse I & II, Anketa, Anketrake, Ambohitsabo. Eo koa ny fanarenana  ny lalana izay simban’ny rivodoza mankany amin’ny seranan-tsambon’i Toliara sy Soala.

Tohodrano manondraka 4770 ha

Eo amin’ny lafiny sosialy, hotohizina ny famatsiana ny vary mora amidy 500 ariary ny kilao. Notapahina nandritra ny filankevitry ny minisitra koa ny tetibola fanampiny mitentina 54 tapitrisa dolara, ho an’ny « Tetikasa Mionjo », ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana. Eo koa ny fanamboarana ny « Pipeline » Mandrare – Sampoina sy ny fanamboarana tohodrano ahafahana manondraka 4770 ha ao Ankazoabo sy Benenitra, izay mitentina 9 tapitrisa dolara. Nanatrika izao filankevitra izao, ireo olomboafidy sy olomboatendry ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, toa ny depiote Tinoka Roberto, Hanonona Hervé solombavambahoakan’ny distrikan’i Betioky, Andriamanantena Razafiarison depioten’ny distrikan’Ampanihy. Nanatrika izany koa ny Loholon’i Madagasikara, Tsiebo Mahaleo sy ireo solontenam-panjakana samihafa.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer