Songadim-baovaoSosialy
AMBOASARY ATSIMO: Tokantrano marefo 4500 nisitraka Vatsy tsinjo
Taorian’ny filankevitry ny minisitra izay notanterahina omaly, tao amin’ny renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana. Tonga nigadona tao Amboasary Atsimo, Faritra Anosy ny Filoham-pirenena mivady. Marobe ireo vahoaka nanemitra ny arabe, nanomboka teo ka hatreny amin’ny Kianja filalaovam-baolina, izay toerana nofaritana fa hanaovana ny asa sosialy. Nisitraka fanampiana ara-sosialy avy amin’ny Fitondram-panjakana, araka izany, ny tokantrano marefo ao Amboasary Atsimo, nandritra ny fitsidihan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny tao an-toerana. Tokantrano miisa 4500 no nahazo ireo « Vatsy tsinjo », ary nahazo fitaovam-pianarana koa ireo ankizy hanala fanadinana CEPE. Ankoatra ireo, nanambara ny Filoha Andry Rajoelina fa hisy ny fivarotana vary mora amin’ny vidiny 500 ariary ny kapoaka, intelo isaky ny herinandro ho an’ny vahoakan’Amboasary Atsimo. Tsy nohadinoina koa ny tetikasa entina hamatsiam-bola ny fiharian’ireo fikambanam-behivavy.
Fanomezana 4×4 ho an’ny mpitandro filaminana
Mikasika ny fahazoan-drano indray, efa tonga ny rano madio amin’ny alalan’ilay « pipeline ». “…Efa tonga any Maroalimpoty sy Maroalimainty satria efa migoka ny rano madio ny mponina.”, hoy izy. Hisy ihany koa, hoy izy, ny fanohanana ara-bola ho an’ny fikambanam-behivavy. Nampatsiahy ny Filoha fa hisy ny fanampiana momba ny ady amin’ny valala, amin’ny alalan’ny angidimby, izay mamaly avy hatrany ny fangatahan’ny Governoran’ny Faritra Anosy. Hohamafisina ny fandriampahalemana sy ny fanomezana fitaovana ary 4×4 ho an’ny mpitandro filaminana. “Izao no hafatra farany atolotro ho anareo vahoaka aty Atsimo. Mitodika aty Atsimo ny fampandrosoana. Mitsoka aty ny rivotry ny fampandrosoana », hoy ny Filoha hentitra. Tao aorian’Antananarivo, tamin’ny alatsinainy lasa teo, dia teto Amboasary Atsimo no toerana faharoa nanaovan’ny Filoham-pirenena fizarana « Vary tsinjo » ho an’ny fianakaviana marefo sy « kits scolaires » ho an’ny mpianatra hanala fanadinana CEPE. Tamin’ny fandalovany teto an-toerana, dia naneho fisaorana sy hafaliana lehibe tamin’ny fandraisana azy ny Filoha Andry Rajoelina.
Rado Harivelo



