
PolitikaSongadim-baovaoToekarena
ANDRANOVORY – AMBOVOMBE: Natomboka ny asa fanamboarana ny RN 10
Notanterahina omaly maraina tao Ampanihy ny fametrahana ny vato fototry ny asa fanamboarana ny lalana RN10, izay miainga any Andranovory sampananana mampifandray azy amin’ny RN7, hatrany Ambovombe, sampanana mampifandray azy amin’ny RN 13. Isan’ny fanamby lehibe napetraky ny Filoha Andry Rajoelina, ho fanafainganana ny fampandrosoana ny Faritra Atsimo. Ambentin-tenin’ny Filoha rahateo fa akaikin’ny fony ireo vahoaka ao Atsimo, ary isan’ny laharam-pahamehana ny fampandrosoana iny faritra iny, sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka ao aminy. Inoana fa anafaingana izany fampandrosoana ny faritra Atsimo izany, ary hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka ny fahavitan’ity RN 10 ity. Ankoatra ny fanamorana ny fifamoivoizana sy fampifandraisana ireo tanàna, distrika, ary Faritra voakasiky ny tetikasa, dia fanokafana ny vavahadin’ny fampandrosoana ho azy ireo, ary ho fanamafisana ny asa fihariana sy ny fahafaha-miatrika ireo ambana tahaka ny tsy fanjarian-tsakafo, ary hanamafisana ny ady amin’ny fahantrana rahateo no tanjon’izao asa fanamboarana izao.
Mitentina 400 tapitrisa dolara…
Tafiditra amin’ny tetikasan’ny Banky Iraisampirenena, izay mitentina 400 tapitrisa dolara ny vola entina manao ny asa fanamboarana ny RN 10. Nosoniavina tany Washington ny 18 aprily 2022, ny fifanarahana teo amin’i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena, mahakasika an’ity tetikasa ity. Vokatry ny adisisika nataon’ny Filoham-pirenena no nahazoana io famatsiam-bola io, ary dia nanatrika izany fifanaovan-tsonia izany izy tany Washington. Isan’ny porofo koa ity fa ny dia ataon’ny Filoha any ivelany, sy ny fifandraisana amin’ny ireo firenena sy mpiara-miombona antoka dia ikatsahana zavatsoa ho an’ny firenena. Maro ny vokatra azo tsapain-tanana amin’izany. Marihina fa ity lalana ity dia tsy mbola vita tara mihitsy hatramin’ny naha lalana azy. Ny Filoha Rajoelina sy ny fitondrana izay tarihiny, araka izany, no hanamboatra sy handrakotra tara manontolo ity RN10 ity. “Ho voasoratra anatin’ny tantaran’Ampanihy sy ireo distrika, ary ireo faritra voakasik’ity tetikasa ity izany zava-bitan’ny Filoha Rajoelina izany ”, hoy ny solombavambahoaka voafidy ao Ampanihy, Tsaradia Marco.
Varavaran’ny fampandrosoana
Eo koa ny vokatsoa entin’ny fanamboarana ity lalana ity, amin’ny toekarena sy ny fiharian’ny mponina. Azo antoka fa hihena ny sandan’ny vidim-piainana satria hihena ny saran’ny fitaterana ireo entana. Eo koa ny famoahana ny vokatr’ireo tantsaha. Notsindrian’ny Filoha Rajoelina rahateo fa “faritra mamokatra ny aty Atsimo, ary afaka mihary tsara sy mamatsy an’i Madagasikara, fa tsy nampiana hatrizay ». « Miova izany ankehitriny satria mazava ny lalantsika mitondra amin’ny fampandrosoana », hoy izy.
Isan’ny tombontsoa entin’ny fahavitan’ity lalana ity koa ny fampiroboroboana ny fizahantany. Marihina fa i Ampanihy, ohatra, dia renivohitry ny famokarana Mohair. Isan’ny kanto sy mahafinaritra koa ireo zavaboary lalovan’ny RN 10, ankoatra ny harena ara-kolontsain’ny mponina. Notsindrian’i Atou Seck, solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena fa “angovon’ny fampandrosoana ihany koa ny lalana”. Nomarihiny fa ny Banky iraisam-pirenena dia manohana ara-bola sy ara-teknika fotsiny. Fa ny tetikasa atao dia miainga amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena sy ny Fitondram-panjakana izay tarihiny.
Rado Harivelo



