KolontsainaSongadim-baovao

“AFROMADA MUSIC AWARDS 2025”: Fantatra anio ireo Mpanakanto aty Afrika hahazo ny amboara isan-tsokajiny

Hiditra amin’ny andiany voalohany ny hetsika ara-java-kanto “Afromada Music Awards 2025” (AMMA 2025), izay hotanterahina eto Madagasikara. Hetsika izay natao hampihaonana sy hanamafisana na hamronana fifandraisana eo amin’ny samy Mpanakanto afrikanina sy mpamokatra matihanina, hotanterahina eny amin’ny Arena Ivandry, manomboka anio sabotsy 17, sy ny alahady 18 Mey 2025. Hizarana amboara isan-karazany ho an’ireo izay mpanakanto mendrika indrindra. Niantomboka tamin’ny fisafidianana an-tambazotra ataon’ireo mpankafy maneran-tany izany, izay nifarana omaly, raha ny fantatra. Marihina, fa mpanakanto maro samihafa avy amina firenena afrikanina samihafa no nifaninana hibata ny amboara ao anatin’izany, ka anisan’izany ny mpanakanto malagasy hatramin’ny 40 isa, raha ny fantatra. Mizara sokajy samihafa ny fifaninanana hahazoana ireo amboara, toy ny “Artiste Révélation de l’Année”, « Meilleur album », « Meilleur Artiste de l’année », « Meilleur Artiste de la diaspora Européen », « Meilleur Artiste Espoir d’Afrique », « Meilleur artiste et chanson moderne d’inspiration traditionnelle d’Afrique », « Meilleur groupe d’Afrique » sns. Marihina, fa maro sahady ireo mpanakanto malagasy efa misongadina isan-tsokajy, izay antenaina hibata ny amboara amin’ity hetsika AMMA 2025 tanterahina eto io. Anisan’ireo mpanakanto malagasy mandray anjara amin’ity fifaninanana ity ohatra, ry Mr Sayda, Jazz MMC, Ambondrona, Rijade, Denise, LJO, Mada Mad Max, Rym-Ka, Wawa, D-Lain, Ceasar, Shyn, Wada & Youngs, sns… Ny Onealvision no mikarakara ny hetsika AMMA 2025 ity. Raha ny fandaharam-potoana indray, dia anio hariva no hanolorana amboara isan-tsokajiny ho an’ireo mpanakanto mendrika indrindra. Rahampitso alahady kosa, no hisian’ny fampisehoana goavana miaraka amin’ireo mpanakanto avy eto an-toerana, toa an’i Ceasar, Mopcaan TR, Wendy Cathalina, Tence mena, sns. Santionan’ireo mpanakanto vahiny kosa, izay ahitana an’i Dr Falafala avy any Côte d’Ivoire, El Passi avy atsy Maorisy, ry Mary Jo avy any Côte d’Ivoire, sns maro… Notanterahina omaly, ny zoma 16 Mey kosa, ny fifanakalozana sy valan-dresaka ho an’ny Mpanao gazety, tetsy amin’ny Pietra Hotel Analakely. Ny tambazotram-pifandraisana “Yas” no mpanohana ofisialy ny hetsika “Afromada Music Awards 2025”.

 Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer