Fanadihadiana Manokana

FIFANINANANA FANAJARIANA NY TANANA: Hifantoka amin’ny fahaiza-mitantana ny fako ny ankamaroan’ireo Fokontany

Efa maro ireo tetikasa ampiharin’ny Fitondram-panjakana mifandraika amin’ny fanatsarana ny tanàna, mba ho tombontsoan’ny vahoaka. Hamafisina hatrany anefa izany ary hampandraisana anjara ihany koa ny mponina eny ifotony. Natomboka tamin’ity herinandro ity ny fifaninanana fanajariana ny tanàna ho an’ny eto Antananarivo renivohitra. Hifantoka bebe kokoa amin’ny fahaiza-mitantana ny fako ny ankamaroan’ireo Fokontany mpifaninana, mba hahafahan’izy reo mandrombaka ny amboara ao anatin’ny hetsika.

Laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ny hanatsara, hanavao sy hanasoa ny ny fiainan’ny vahoaka isan-tanàna, hoy ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fiatombohan’ity herinandro ity. Ao anatin’ny fampiharana izany dia anisan’ireo tetikasa efa mandeha tato anatin’ny taona maro izao ny fanamboarana ireo lalankely sy tetezana any anaty tanàna any. Fanamby mbola miandry kosa ny fanadiovana hatrany ireo lakan-drano sy ny fametrahana toeram-pidiovana eny anivon’ireo fokontany.

Tamin’io alatsinainy lasa teo io moa dia nitety toerana maromaro teto an-drenivohitra ny Filohampirenena, indrindra teny amin’ireo tanàna ambany toerana. Tsikaritrany nandritra izany fotoana izany fa tsy ampy ny tokotany malalaka hilalaovan’ny ankizy any anaty tanàna any. Tsy misy ihany koa ny toerana natokana hanaovana fanatanjahantena ho an’ny tanora. Araka izany, nambaran’ny Filoha fa hatao vaindohan-draharaha ihany koa ny fametrahana kianja filalaovana isaky ny fokontany. Nanome baiko ireo Solombavambahoaka ny tenany amin’ny fijerena ny toerana azo hananganana izany fotodrafitrasa izany. Hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana izany ireo Ben’ny Tanàna sy ireo Governora. “Izany zavatra rehetra izany no ataontsika satria mba tiako hivoatra ny fiainantsika, ny tontolo ianantsika”, hoy hatrany ny nambaran’ny Filoha.

Zava-poana fotsiny ihany anefa ny fametrahana ireo fotodrafitrasa ireo raha toa ka tsy misy ny fivoarana miaraka amin’ny fahadiovana isan-tanàna. Izany indrindra no nahatonga ny Filoha hametraka ny fifaninanana firafitry ny tanàna, isaky ny renivohi-paritra 24, mba hampiroboroboana ny fahadiovana. Anisan’ny tapaka io nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra notanterahana tamin’ny 07 mey 2025. Tsy hijanona eny anivon’ny Faritra fotsiny ihany anefa fa hitarina hatrany amin’ny isam-pokontany mihitsy izay paikady fampiroboroboana ny fanajariana sy fahadiovan’ny tanàna izay. “Ny fifaninanana izay hatao ho fampivoarana sy fanadiovana ny tanàna izay noheverina hatao manerana ny renivohi-paritra dia tokony hitarina hatrany anivon’ny Fokontany. Efa hita taratra izany ao Antananarivo fa tokony apetraka ihany koa ny lamina sy drafitra ho amin’izany manerana ny Nosy”, hoy indray ny fanavaozana napetraky ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny alarobia 14 mey lasa teo.

200 tapitrisa Ariary ho an’ny fokontany mendrika

Ho an’ny teto Antananarivo renivohitra, araka izany, dia efa nanomboka tamin’ity herinandro ny fifaninanana fanajariana tanàna ho an’ireo Fokontany miisa 192 eto Antananarivo. Mialoha ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena amin’ny volana jona dia hisy ny fanaovana tombana azy ireo. 200 tapitrisa Ariary isany avy no hatolotra ireo fokontany 5 voalohany tena nahitana fiovana sy nahavita nanajary betsaka indrindra. Natokana hananganana fotodrafitrasa ao amin’ilay Fokontany io marim-pankasitrahana azony io.

Manana anjara andraikitra lehibe ao anatin’io vina fanajarana ny tanàna io ny vahoaka isam-pokontany. “Ilaina ny fiaraha-mientana sy ny fandraisan’andraikitry ny rehetra”, hoy ny nambarany. Izany indrindra no antony hamelomana indray ny tetikasa HIMO na ny asa hifandrimbonana mba hanatrarana ny tanjona. Isaky ny sabotsy, manerana ny Fokontany rehetra dia hisy ny fanatanterahana asa takalo sakafo. Izay olona rehetra mandray anjara amin’ny asa fanadiovana mandritra io tontolo andro io dia hisitraka vary 5Kg isan’olona. Izany hoe sady mahazo tohana ny isan-tokantrano no mandray anjara mavitrika amin’ny asa fampandrosoana ny tanàna ihany koa. Tafiditra amin’ny fampiharana io tetikasa io hatrany moa dia nanome baiko ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo ny Filohampirenena, mahakasika ny tokony hametrahana dabam-pako isam-pokontany ka mba tsy hiparitaka indray ireo fako efa voaangona tany anaty tanàna rehetra tany.

 

Hitodika bebe kokoa amin’ny fifehezana ny fako sy ny loto

Nahavelom-bolo ny ankamaroan’ireo lehibena Fokontany teto an-drenivohitra moa io endrika fifaninanana amin’ny fanajariana ny tanàna napetraky ny Filoha Andry Rajoelina io. Anisan’ireo tafaresaka taminay ny lehibem-pokontanin’Anosipatrana Andrefana, Atoa Rasolomalala Rado. Nohazavainy fa ao anatin’ny fandraisana anjara amin’io fifaninanana io dia fanamby goavana hatrehina ao anatin’ny Fokontany hiadidiany ny lafiny fanadiovana sy ny famolahana ny saim-bahoka hitandro hatrany izany fahadiovana izany. Paikady ampiharin’izy ireo ankehitriny ny fanatanterahana asa fanadiovam-pokonolona in-dray mandeha isam-bolana. Hakarina ho in-telo isam-bolana izany hatramin’io volana jona io. Nomarihin’io tompon’andraikitra io manokana fa mbola olana ho azy ireo ny fitantanana ny fako. Ny 2/3-n’ny fako ao amin’izany fokontany Anosipatrana Andrefana izany dia tain’alika avokoa. Antony mahatonga izany ny fisiana toeram-pamonoana omby ao amin’ny fokontany ka maro ireo alika mivezivezy ao an-toerana. Tsy maharaka amin’ny fividianana fanafody natao hamonoana ireo alika mpirenireny ireo ny tompon’andraikitra. Hananan’izy ireo tombony kosa ny fananana lalankely vita hatramin’ny 90% ankehitriny.

Ho an’ny ao amin’ny Fokontany Anosizato Atsinanana indray, nohamafisin’ny tompon’andraikitra fa ny teboka rehetra handraisana anjara ao anatin’io fifaninanana io dia tsy maintsy iarahana amin’ny vahoaka avokoa. “Tsy afaka handrombaka io fifaninanana io ny Fokontany raha ny sefom-pokontany irery ihany no hisehatra. Tsy maintsy manentana ny vahoaka ao aminy ny tompon’andraikitra”, hoy ny fanazavana. Ao amin’io fokontany io manokana dia tsy ahitana fahasarotany loatra ny manainga ireo mponina rehefa resaka manodidina ny fampandrosoana no hotanterahana, hoy hatrany ny fanazavana. Eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa dia ny fanamboarana sy fandaminana ny tsena, ny fametrahana toeram-pidiovana sy fanariana fako no atao laharam-pahamehana ao amin’ny Fokontany Anosizato Atsinanana. Eo ihany koa ny fanajariana ireo fotodrafitrasa hafa toy ny lalankely, tetezana, biraom-pokontany sy ny sekoly. Ho fanomezana endrika ny tanàna indray dia hanentana ny mponina amin’ny fomba fandokoana ny trano, fanadiovana lakan-drano sy fambolena zava-maitso ny tompon’andraikitra.
Afaka herinandro vitsy, araka izany, dia tokony ahitana fiovana endrika ny ankamaroan’ireo tanàna eto an-drenivohitra. Na eo aza izany dia manana tombony kokoa ao anatin’io fifaninanana fanajariana tanàna io ireo Fokontany amin’ny toerana avo, tsy manana olana firy amin’ny lafiny fahadiovan’ny lakan-drano. Io fahadiovan’ny lakan-drano io dia anisan’ny teboka iray mamaritra ny fahadiovana amin’ny Fokontany.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer