Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
MAROFINARITRA VATOMANDRY: Zazalahy iray tratra nanolana zazakely 2 taona sy tapany
Naterin’ny polisim-bohitra avy ao amin’ny fokontany Marofinaritra, kaominina Ampasimadinika, distrika Vatomandry tao amin’ny tobim-paritry ny Zandarimaria Ilaka Est ny tovolahy iray 15 taona voalaza fa nanolana zazakely 2 taona sy tapany tao Marofinaritra. Araka ny fanadihadiana natao dia ny faha-14 mey lasa teo, tao Marofinaritra no nitrangan’izany fanolanana izany, ka olona taizan’ny ray aman-drenin’ilay zaza voaolana ihany no nanao izany. Rehefa natao ny fitadiavana sy fikarohana ilay nahavanon-doza, dia efa voasambotra sy notazomina ao amin’ny tobim-paritry ny Zandarimaria izy, nandritra ny fanadihadiana izay atao. Ilay zaza voaolana kosa, dia nasaina nentin’ireo ray aman-dreniny nanatona toeram-pitsaboana haingana. Mazava, araka izany, na mbola tsy ampy taona aza ilay nahavanon-doza, dia tsy maintsy miatrika famotorana, ary tsy mantsy hiakatra fampanoavana aorian’izay. Tiana ny manamarika fa sazy henjana no miandry ireo nanolana, izay tsy anavahana na kely na lehibe. Ny tobim-paritra Ilaka/Est no misahana ny fanadihadiana momba ity fanolanana nanjo an’ilay zazakely vao roa taona sy tapany ity.
Pierre M.


