Songadim-baovaoSosialy

TOSIKA ARA-TSOSIALY TAO TOLIARA : Fianakaviana marefo 5000 nisitraka fanampiana avy amin’ny Fanjakana

Taorian’ny fametrahana vatofototra ny Rn10 tany Ampanihy, omaly maraina, dia nihazo an’i Toliara nanatrika ny fizarana fanampiana ho an’ireo fianakaviana marefo tao amin’ny Kianja Maitre Kira Toliara, ny Filoham-pirenena mivady. Teny am-piandohana dia natolotry ny Filoha teo anatrehan’ireo vahoaka maro, ny fahatongavan’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta tarihin’ny Praminisitra sy ireo Parlemantera, ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana, izay midika ny maha zava-dehibe an’ity asa sosialy fanampiana ireo vahoaka sahirana ity.

Vory marobe ireo fianakaviana  miisa 5 000 hisitraka ny fanampiana, izay samy nahazo vary  amin’ny gony Niaraka amin’ny kojakoja ilaina amin’ny andavanandro. Avy amina fokontany miisa 42 anatin’ny Distrikan’i Toliara 1 ireto fianakaviana miisa dimy arivo ireto. Ankoatra izay, mpianatra miisa 400 hiatrika fanadinana CEPE no nahazo  » kit scolaire  » nahitana kitapo, penina, pensilihazo, sns…Hifamelona isika ary hifanampy, hoy ny Filoha, ka aorian’io fizarana io, dia hotohizina ny fivarotana vary mora amin’ny vidiny 500 Ariary.

Hanana fotodrafitrasa goavana…

Afaka telo taona dia hifandray avokoa ny lalam-pirenena rehetra aty amin’ny tapany atsimo ary hitondra fampandrosoana mivaingana izany. Mikasika izay fotodrafitrasa izay ihany,  notsiahivin’ny Filoha, fa hanana fotodrafitrasa goavana sy mendrika azy koa i Toliara. « Raha manana ny  Boulevard Ratsimilaho ny ao Toamasina, dia hanana ny « Boulevard Kiembe » i Toliara, izay hotokanana rahampitso (anio). Zava-dehibe, hoy ny Filoha, ny fahavitan’io fotodrafitrasa io, satria tena mahafa-trosa an’i Toliara tanteraka. Tsy ho tratry ny tondra-drano intsony ny faritra eny, noho ny fahavitan’izany. Hahazo toerana fitsangantsanganana sy toerana hialana voly ihany koa.

Ankoatra izay, ny fanavaozana ny lafin’ny famokarana ny herinaratra, amin’ny alalan’ny fametrahana ny « Parc Solaire », izay hatomboka amin’ny 2.5 MGW, ka afaka roa na telo volana dia hapetraka izany. Tsy ho tapaka intsony ny Jiro eto Toliara, raha ny fanampim-panazavana. Nohamafisin’ny Filoha fa misosa ny lalana, mazava ny lalana miaraka amin’ny Filoha Andry Rajoelina. Isan’ny teboka goavana koa ny fanamboarana ny Tobim-piantsonana goavana sy mendrika ny tanànan’i Toliara, izay efa voasoritra anatin’ny « Plan D’Urbanisme » ho an’i Toliara , izay efa nankatoavina tamin’ny Filankevitry ny Minisitra farany teo. Fanampin’izay, ny fametrahana ny fotodrafitrasa goavana toa an’i Miami ao Toamasina, izay antsoina hoe « Front de Mer ».

Tsy ekena ny fisakanana ny fampandrosoana

Notsiahivin’ny Filoha fa izy mihitsy no nandray an-tanana ny fampijanonana ny « Base Toliara » tamin’ny fitondrana teo aloha, ary naverina nojerena mihitsy ny antsipiriany, mba ho tena tetikasa hitondra vokatsoa ho an’ny vahoakan’i Toliara. Nambarany ho ren-tany ren-danitra fa manaja ny fepetra rehetra ny tetikasa « Base Toliara » io. Efa voadinika ny ho tombontsoa manokana ho an’i Toliara sy ireo kaominina manodidina.  Hatao amin’ny fomba mangarahara ny fikirakirana ny vola ao anatin’io ary hampandalovina eny anivon’ny Antanimierampirenena. Mahatratra 180 tapitrisa dolara isan-taona ny vola aloan’ny « Base Toliara ».  Tsy izaho mihitsy, hoy ny Filoha, no andeha hanao sonia tetikasa mety hamono ny vahoaka. Porofo izao fa raha noana ianareo tolorana vary, raha te hiasa ianareo tolorana fintana. Nambaran’ny Filoha tamin’ny fandraisam-pitenenany, ny nanambarany fa tsy hanaiky ny fanakanan’olon-tokana ny fampandrosoana hatao eto Toliara, na ihany koa tsy hanaiky ny fisakanana ny fampandrosoana an’i Madagasikara iray manontolo.

Nangonin’i Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer