SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FANADINANA CFA SY CAP: Niatrika izany ireo mpiadina 1560 nanomboka omaly

Nanomboka omaly no niatrika ny fanadinana eo anivon’ny minisiterany fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ireo mpiadina 1560 manerana ny Nosy. Nilamina ny fanombohana omaly tamin’ny ankapobeny. Na izany aza, nisy ihany ireo mpiadina tsy tonga noho ny antony tsy fantatra. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisial tetsy amin’ny LTC Ampefiloha ny minisitra tompon’andraikitra Tsikel’Iankina Ernest omaly.

Zava-dehibe hiankinan’ny ho avin’ny tanora ny fananana ny “Certificat de fin d’apprentissage” CFA, na ny “Certificat d’aptitude Professionnel” CAP. Amin’ny alalan’ny fanadinana karakarain’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa no hahazoana ireo mari-pahaizana ireo. Isany maha samihafa azy amin’ny fampianarana ankapobeny, ny fahafahan’ireo tanora miatrika ny tontolon’ny asa avy hatrany aorian’ny fahazoana ny mari-pahaizana. Fanofana arak’asa rahateo no narahana, ka tokony ho matihanina avy hatrany amin’izay asa tiana atao. Nanazava ny minisitra Tsikel’Iankina Ernest, fa samy manana ny “Spécialité”-n’ny daholo ny faritra tsirairay. Izany hoe, tsy mitovy avokoa ny “Spécialité” safidian’ny mpianatra eto amintsika fa voarindra isam-paritra izany. Eo anatrehan’izany, ireo tompon’andraikitra any amin’ny faritra no mamaritra ny “Spécialité” hanofanana ny tanora, mba hifanaraka amin’ny filàn’ny Faritra. Ho an’ity taona ity, nanomboka omaly ny fanadinana hahazoana ny CFA sy CAP teto Madagasikara. Mpiadina manodidina ny 1560 teo niatrika izany nanerana ny Nosy. 275 mahery tamin’ireo no niatrika ny fanadinana CFA, izay hifarana rahampitso ihany. Maherin’ny 1275 kosa no niatrika ny CAP, izay tsy hifanarana raha tsy amin’ny alakamisy ho avy izao.

Voahaja ireo fepetra ara-pahasalamana

Ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanadinana tetsy amin’ny LTC Ampefiloha, ho an’ny omaly. Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fanombohana omaly, ho an’ity ivon-toeram-panadinana ity, izay mandray mpiadina 24 haka ny CAP. Saingy nisy mpiadina telo kosa tsy tonga, noho ny antony tsy fantatra. Ny taranja Malagasy sy ny Matematika no natrehan’ny mpiadina omaly. Ny taranja frantsay sy ny “Initiation économique” ary ny anglisy kosa no hatao anio. Ho an’ny rahampitso, ny “Méthode administrative et commerciale” sy ny “Initiation juridique” indray no ho katrohin’ireo mpiadina. Ary hamarana azy, amin’ny alakamisy maraina ny “Communication professionnelle”. Ezahana, hoy ny Proviseur LTC Ampefiloha ny hanajana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra, toy ny fanasana tanana, fampiasana Gel Désinfectant, fandalovana eo amin’ny Tapis misy ranom-panafody, sy ny sisa. Notsiahivin’ny minisitra omaly fa ny 21 Septambra ka hatramin’ny 24 Septambra izao no hatao ny fanadinana hahazoana ny  “Brevet d’étude professionnel” na ny BEP, izay hahitana mpiadina manodidina ny 9300. Ny fifaninana hidirana amin’ny Lycée teknika kosa dia hatao amin’ny 01 sy 02 Oktobra, ka manodidina ny 37500 kosa no mpiadina handrasana amin’izany.

Tags
Fermer