PolitikaSongadim-baovao

VATICAN-EGLIZY KATOLIKA: Notokanana tamin’ny alalan’ny fametahana “Pallium” sy peratra ny Papa léon XIV

Notanterahina omaly Alahady 18 Mey 2025 ny fomban’ny Eglizy katolika nentina nanokanana ny Papa Léon XIV, izay mpitondra vaovaon’ny Eglizy katolika, faha-267 dimbin’i Md Piera, tany amin’ny toeran’ny kianjan’i Md Piera any Vatican. Nisy ny marika famantarana ivelany nentina nanatanteraka izany, dia ny fametrahana ny antsoina hoe “Pallium” sy ny Peratra. Ny “Pallium” dia fitafy lamba kely iambozonana toy ny an’ireo Kardinaly rehetra, izay marika fa mpiandry ondry mitarika ny vahoakan’Andriamanitra hatoky an’i Kristy arahin’ny Mpino katolika rehetra. Maneho ny andraikitra ankinina aminy. Ny “Pallium”, izay ahitana Lakroà mainty miisa 06, izay manambara ny fery nentin’I Kristy. Ny Peratra izay marika maha Mpiandry mahatoky, vikeran’I Kristy. Maneho fahefana feno izay ananany ny amin’ny fitarihana ny Eglizy katolika. Ny Peratra apetraka aminny tanan’ny Papa dia misy ny sarin’i Md Piera sy ny haratony, ary misy ny anaran’ilay Papa mitondra azy. Marihina, fa potehina avy hatrany ny peratra rehefa tong any fotoana hahafatesan’ilay Papa, izany hoe tsy azon’iza dimbiasina. Tao anatin’ny Sorona masina lehibe notarihin’ny Papa Léon XIV no nanatanterahana izany. Nandritra ny toriteny nataony moa, no nampahatsiahivany ny lalana nolalovan’ny Fiangonana katolika maneran-tany, saingy tsy navelan’I Kristy ho irery ny vahoakany, ka tonga tamin’izao fotoana izao indray. Noho ny vavaka nataon’ny kristianina dia tsapan’ireo Kardinaly nivory nisafidy ny Papa ankehitriny ny hasin’ny Fanahy masina izay nahay nampifanaraka ny feon-java-maneno samihafa, ary nahatonga ny tadin’ny fo namoaka feon-kira tokana. Nambarany, fa “nofidiana tsy nisy antony aho, ary tamin’ny tahotra sy ny fangovitana no mankaty aminareo toy ny rahalahy izay te ho mpanompon’ny finoanareo sy ny fifalianareo, ka miara-mandeha aminareo amin’ny lalan’ny Fitiavan’Andriamanitra, Izay maniry antsika rehetra ho iray fianakaviana”. Taorian’ny fotoana dia niseho indray tamin’ny vahoaka teo amin’ny kianjan’i Md Piera, ny Papa Léon XIV, tamin’ny alalan’ny “Papamobile”.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer