Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

MOTO IRAY NANDONA KAMIAO : Tovolahy iray namoy ny ainy vokatry ny fandehanana mafy

Lehilahy iray nitondra môtô no maty tsy tra-drano  vokatry ny ratra sy ny dona nahazo azy, afakomaly tokony ho tamin’ny 9 ora sy fahefany alina, teo Mandrimena Malakialina, Fokontany Mahalavolona, kaominina  Andoharanofotsy, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano, teo amin’ny RN7 PK 10 + 600. Raha ny fizahana teny an-toerana, dia lalana mahitsy  anaty tanàna, izay arabe misy jiro mirehitra mazava sy fifamoivoizana malalaka no nisehoan’ny loza. Raha ny angom-baovao, dia nandeha mafy ity lehilahy niharam-boina ity, sady tsy nanao aroloha no tsy ampy akanjo fiarovana. Avy any Iavoloha izy ary hizotra ho any Tanjombato.

Fantatra fa nandona ny sisiny havian’ilay fiarabe kamiao Mercedes Benz mijanona teo amin’ny sisin-dalana, vokatry ny fahasimbana. Tsy nametraka takelaka telozoro famantarana mialoha  sy tsy namelona jiro manondro habe sy jiro manambara fahasahiranana ilay fiarabe. Mafy ny dona niseho ka namoy ny ainy teo no ho eo ilay tovolahy 21 taona, monina ao Volotara Andoharanofotsy, izay tompon’ilay môtô ihany. Potika tanteraka ilay kodiaran-droa. Tsy nisy fahasimbana vokatry ny fifandonana, kosa ilay fiarabe. Na izany aza,  notazomina hatao famotorana ny mpamilin’ny fiara, sady nampidirina ambalan-tsazy ilay fiarabe. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fizahana. Mila mitandrina fatratra ireo mpandeha kodiaran-droa, satria tampoka hatrany ny loza miseho, indrindra lahitokana ny aina.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer