PolitikaSongadim-baovao

DIASPORA MANOHANA AN’I ANDRY RAJOELINA (DIAMAR): Hanoro hevitra sy hizara ny traikefany eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana

Vondrona iraisan’ireo Fikambanana, Antoko Politika ary ireo olom-pirenena tsotra mila ravinahitra ao Eoropa ny « DIAMAR » na ny “Diaspora manohana an’i Andry Rajoelina eto Eoropa”. Tanjon’izy ireo ny hanohana ireo paikadim-pampandrosoana aroson’ny Filoha Andry Rajoelina, ka hitondra ny anjara birikiny ho tanjaka ara-toekaren’i Madagasikara. Eo koa ny fanohanana sy fampirisihana ny Malagasy hanaja ny andrimpanjakana misy, sy hiaina ao anatin’ny fitoniana ara-politika, fandriampahalemana, ary tontolo miteraka famokarana. Ny DIAMAR koa dia hanoro hevitra sy hizara ny traikefany eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Ankoatra izay dia manohitra ny fanakorontanana amin’ny endriny rehetra, na any ivelany na eto Madagasikara ny DIAMAR.

Tsipahin’izy ireo koa ny fikasan’ny olom-boafidy vitsivitsy mitondra fanakorontanana izay miendrika fanonganam-panjakana. Ho azy ireo dia ny fifidianana ara-demokratika ihany no lalana hakana fahefana fa tsy amin’ny herisetra na fanakorontanana, tsy amin’ny fanozongozonana Fanjakana. Mitaona ny Malagasy koa ny DIAMAR mba tsy handairan’ny tsaho sy ny lainga hafafin’ny mpanohitra any amin’ny tambazotran-tserasera. “Mampirisika ny Malagasy, indrindra ireo any amin’ny Faritra mba hahay hanararaotra ny fampandrosoana isam-paritra izay apetraky ny Fanjakana. Ezahina koa ny tsy hisian’nyFaritra zanaky kiala hafa intsony”, hoy ny fanambaran’izy ireo.

Tetsy ankilany, ny DIAMAR dia midera ny ezaka ataon’ny Fitondrana tarihin’ny Filoha Rajoelina amin’ny fanandratana avo ny lazan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Ny fanatanterahana ireo fihaonana an-tampony teto Madagasikara dia azo adika ho fandresena diplomatika, no sady maneho fatokisan’ny fianakaviambe iraisampirenena ny Mpitondra amin’izao fotoana. Notsindrian’izy ireo fa mandalo fotoan-tsarotra tokoa izao tontolo izao, ka ny fanamafisana ny fiarahamiasa amin’ireo firenena mety hahazoan’i Madagasikara tombontsoa, ankoatra ny fanararaotana ny fifandraisana marolafy. Azo avadika ho fanararaotra ho tombontsoan’i Madagasikara ny fahasahiranana lalovan’izao tontolo izao.

Fiforonan’ny DIAMAR any Eoropa Ny DIAMAR dia nitsangana tamin’ny 01 Mey 2025. Ny tanjona fototra hijoroan’ny DIAMAR dia ny fiombonan’ireo mpikambana rehetra ahafahan’ny feo ho iray sy avo manoloana ny fanohanana ny ezaka fampandrosoana imatimatesan’ny Filoha Rajoelina sy ny mpiara-miasa aminy, sy ny fanembatsembanana, fanakatsakanana, eny fanakorotanana ny fizotry ny asa fampandrosoana voizin’ny mpanohitra sy ireo antokon’olom-bitsy mivoy fankahalana mikasa hanozongozona Fanjakana. Hifandimbiasan’ireo fikambanana sy antoko politika ny fitantanana ny DIAMAR (présidence tournante). Telo volana isaky ny fitantanana. Araka izany, mikasa ny hikarakara hetsika goavana ny DIAMAR amin’ny 24 mey 2025 ho avy izao ao amin’ny Sainte Geneviève-des-Bois, France. Hetsika hanasana ireo mpomba sy mpanohana ny fitondrana tarihin’ny Filoha Rajoelina, hetsika entina hilazana fa iray feo ary avo feo ihany koa ny mpiara-dia amin’ny Filoha Rajoelina. ● Ireto avy ny Fikambanana sy Antoko politika miaradia ao anatin’izany vovonana izany: – ny antoko tgv france europe – ny antoko Freedom france europe – ny antoko hiaraka isika france europe – ny antoko MLF : malagasy leo fahantràna france – ny Fikambanana TEM:Tous Ensemble pour Madagasikara – ny Fikambanana UEM: Union pour l’ Emergence de Madagasikara – .ny fikambanana DMA: Diaspora Malagasy Am-pielezana – ny Fikambanana TMT : Tanora Manolon-Tanana – ny fikambanana TNM: Tena Namana Miaradia – Ny fikambanana AIDES FRANCE

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer