PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHA ADIN-TANY AO BETSAKOTSAKO ANDAPA: Tsy mahavaly ireo porofo mazava nentina ilay Depiote

Raha toa ka voaporofo mazava tamin’ny alalana antontan-taratasy sy didim-pitsarana ny lahatsoratra nentina teto amin’ny gazety omaly momba ny raharaha adin-tany ao Betsakotsako Andapa, dia tamin’ny alalana ranty tsotra tao amin’ny Tambazotran-tserasera Facebook, tsy misy tohan-kevitra na porofo, no namalian’ingahy Solombavambahoaka izany.

Hoy indrindra ny Solombavambahoakan’Andapa teo amin’ny kaonty Facebook-ny: “Mafy tokoa ny mahazo ireo zatra manao gaboraraka, Mafy tokoa ny mahazo ireo izay zatra mpanao lalan-dririnina amin’izao, Ary tena mafy ny mahazo ireo zatra manao tsindry hazo lena amin’ny vahoaka. Satria manana solombavam-bahoaka tsy manaiky an’izany ianareo eto Andapa ankehitriny ! Efa nolazaiko matetika fa tsy tsangan’olona aho, fa mahay sy mahalala tsara ny asako.”

Raha miainga amin’io valinteniny io dia hita fa tsy manan-kavaly ity olom-boafidy ity. Maninona tsy mampiseho taratasy raha manana porofo ? Nahoana no tsy novaliana hoe maninona no sakanana ny fanatanterahana didim-pitsarana ? Ilay fanamparam-pahefana noho ilay sata maha Solombavambahoaka mihisy eto no tiana vakiana bantsilana. Fanamparam-pahefana izay havadiny ho fiarovana ny madinika indray, entina hakana ny fon’ny vahoaka. Ireo vahoaka lazainy fa arovany ireo anefa dia olona ampolony.  Andrasana ny tohin’ny raharaha…

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer