Songadim-baovaoToekarena

FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA : Vita sonia ny fifanarahana lasitra eo amin’ny ONUDI sy Madagasikara

Nisy ny fanaovana sonia ny fifanarahana lasitra eo amin’ny Rafitry ny Firenena mikambana ho an’ny fampiroborobona ny indostria (ONUDI) sy ny Repoblikan’i Madagasikara omaly. Zava-dehibe tokoa izany satria io fifanarahana io no hametraka ny rindran-damina ao anatin’ny fiarahamiasan’ny ONUDI sy Madagasikara, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Tsara tsiahivina fa andry faharoa ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ny fampiroboroboana ny indostria. Ary ny Filoha Andry Rajoelina dia nametraka ho laharam-pahamehana ny fanodinana eto Madagasikara ihany ireo vokatra izay ilain’ny mponina andavanandro, na ireo aondrana ihany koa. Zava-dehibe araka izany ny fotoana omaly satria dia manamarika ny fahavononan’ny ONUDI sy ireo mpiara-miombona antoka samihafa amin’i Madagasikara hanohana ny politikam-panjakana amin’ny fampiroboroboana ny indostria.

Tsara ho fantatra fa mivoy ny diplomasia ara-toekarena i Madagasikara ankehitriny, izay miahy ny Malagasy tsy vaky volo ary mitondra vokatsoa mivaingana ho an’ny firenena. Isan’ny tetikasa izay tohanan’ny ONUDI ny mahakasika ny famokarana angovo azo havaozina. Eo koa ny fanampiana ireo tetikasa ataon’ireo orinasa madinika izay te hisehatra amin’ny lafiny indostrialy.

Ity fifanarahana miaraka amin’ny ONUDI ity dia manamarika ihany koa ny faha-40 niarahana niasa teo amin’ny roa tonta. Madagasikara dia mpikambana, ary mandray anjara feno amin’ny firenena mikambana (ONU). Ny fiarahamiasa amin’ny rantsamangakain’ny ONU rehetra dia manamafy ny toerantsika amin’ny diplomasia manerantany, araka ny fanazavana azo hatrany.

Marihina fa mitarika ny delegasion’ny ONUDI eto Madagasikara moa ankehitriny ny Tale Lefitry ny ONUDI, Ramatoa Fatou Haidara, sy ny Solontena maharitry ny ONUDI eto Madagasikara, Ramatoa Volatiana Rakotondrazafy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer