PolitikaSongadim-baovao
NOSY BE : Hametrahana fotodrafitrasa maro tsy ho mena-mitaha amin’ny Nosy hafa
Nafana ny fandraisan’ny vahoakan’i Nosy Be ny Filoha mivady omaly. Nasongadin’ny Filoha Andry Rajoelina, tamin’ny fahatongavany tany an-toerana, fa « tsy ny andro ihany no mafana fa ny fandraisan’ny vahoakan’i Nosy Be koa. Ahoana tokoa moa isika no tsy ho faly, satria vao avy any Atsimo izahay. Tamin’ny alahady vao nody, ary tonga tao Antananarivo, dia izao eto Nosy Be izao indray ». Hita taratra fa miova ary miroso i Madagasikara eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa, fa indrindra, hita tanteraka fa miova i Nosy Be, amin’izao fotoana izao. Nosy Be amin’ny maha Nosy Be azy dia ny fizahantany no mampalaza azy. « Tsy maintsy apetrantsika ny fotodrafitrasa rehetra, mba tsy ho mena-mitaha amin’ireo Nosy rahavavy rehetra toa an’i Maorisy, La Réunion, Seychelles. Izay no hametrahantsika laharam-pahamehana ny lalana rehetra eto Nosy Be, izay misy hotely maro dia maro dia amboarintsika avokoa. Hitokana izany isika, ary efa eo amin’ny 60 km latsaka miala eto amin’ny seranam-piaramanidina mandalo an’i Melville mandra-pahatonga any Andilana, dia efa vitantsika « goudron » sy tara », hoy izy. Tsy niolaka ny Filoha nanazava fa « raha vao miala eto, mandalo ny avy any ankavanana, mandalo any Madiro ary mipoitra any Andilana, dia efa vitantsika tara avokoa. Raha adiny iray sy sasany no nanaovantsika ny lalana teo aloha, dia efa 45 mn ankehitriny ».
Hampihena ny vidin-jiro lafo…
Ankoatra izay, ny asa rehetra atao dia hametraka ny vato fototra amin’ny fanombohana ny fametrahana ny « parc solaire » 5 MW. « Hovitaintsika izao ary hapetratsika izao, satria eto Nosy Be no anisan’ny lafo indrindra ny vidin-jiro. Any amin’ny 40 centimes dollars ny Kwh, kanefa any Antananarivo 15 na 20 centimes, izany hoe, avo roa heny ny vidin-jiro eto Nosy Be raha mitaha amin’Antananarivo fotsiny ohatra », hoy ny Filoha. Izay no hanaovana io « parc solaire » io, satria raha vao avy mipetraka io « parc solaire » io dia voalohany indrindra, hihena ny fahatapahan-jiro mazava ho azy. Faharoa, hihena ny vidin-jiro ao Nosy Be iray manontolo. Fantatra fa 5 MW no apetraka izao, ary amin’ny herintaona, dia ho ampiana 5 MW, mba hahatonga azy ho 10 MW. Navoitrany fa hotokanana koa ny trano mora, ny EPP, ary indrindra hitokana fotodrafitrasa maro, ary tsy maintsy hovitaina koa ny Kianja manara-penitra, izay ho an’ny tanora. « Ataontsika tsy maintsy mandroso Nosy Be, ary misaotra anareo rehetra tonga manatrika eto, manotrona sy mitsena amin’izao fahatongavanay izao, satria fitiavana ny ao am-ponareo, ary fitiavana no asetrinay izany », hoy izy nanamafy.
Rado Harivelo



