PolitikaSongadim-baovao

HALATRA TANY AO NOSY BE: « Misy olom-panjakana ambony manohitra ny fanapahana »

Ady mangotraka ny resaka momba ny olana mahakasika ny fananantany ao Nosy Be Hell Ville. Iray amin’ireny ny  raharaha adin-tany « Issabhay » ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be, mirefy 1Ha 33 A 88 Ca, izay nisy nahavita taratasy fizakan-tany na PA (Prescription Acquistive) ny ampahany. Misy resaka  kolikoly avo lenta ny toe-draharaha. Namaky bantsilana io toe-javatra hafahafa io  ny Mpisolovava Vitta Ruffin, manoloana ny nakana tanin’olona, tamin’ny alalan’ny fizakan-tany na « prescription acquisitive » ataona tambajotra goavana. Taratasy  izay nambaran’ity Mpisolovava ity fa efa nampiatoan’ny Filankevitry ny minisitra, ny 18 desambra 2024, narahina naoty nifandraika amin’izay, nivoaka ny 2 aprily lasa teo, saingy minia manentsin-tadiny sy tsy misy mandray andraikitra ireo tomponandraikitra ao an-toerana, na ny avy amin’ny Fitsarana na ny avy amin’ny Sampandraharaha ny fananantany.

Nasongadiny fa misy mihitsy ny fampiasana ary fisandohana anaran’olona ambony tanterahin’ireo tambazotra mpangalatra tany ireo. Manampy trotraka ny fanaovana tatitra vilana, amin’ny ambaratonga samihafa. Manaitra sy manao antso avo ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ity mpisolovava ity, amin’izao fandalovan’ireto Tomponandraikitra ambony, ao Nosy Be izao. Vonona tanteraka izy ny hitondra ny taratasy sy ny porofo rehetra, raha ilaina izany momba ity raharaha ity. « Na eo aza ny finiavana tsara avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, dia tsy misy vahaolana mivoaka. Izahay mahatsapa fa tahaka ny misy fifanilihana andraikitra eo amin’ny samy Minisitera, samy namoaka naoty. Mangataka izahay, amin’izao fandalovan’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra aty, mba hijery akaiky ny zava-misy, satria tianay hipoitra ny marina mikasika ity raharaha tany « Issabhay » ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be », hoy hatrany ity Mpisolovava ity.

Tena halatra tany…

Nasongadiny fa tena halatra tany no miseho, ary vonona izy ireo hifanatrika amin’izay milaza ny mifanohitra amin’izany, hitondrana ny porofo rehetra ara-taratasy. « Ny mampalahelo anefa, misy tombontsoan’olona arovana ao, satria samy tsy misy mety mandray andraikitra. Na dia efa navoaka aza ny naoty, mijanona eo ilay raharaha. Na inona na inona fitoriana ataonay, tsy misy mandeha. Nisy tany amin’ny Bianco an-taonany tsy hita, nisy tany amin’ny Fitsarana,… », hoy izy hentitra. Fotoana kosa anefa izao tokony hijerena ny marina, afaka mijery ifotony ny Fanjakana mahefa izay Raiamandreny, afaka mahita maso ny Mpitondra satria tatitra vilana no matetika tonga any aminy, raha ny nambaran’ny Me Vitta Ruffin. Very zo tanteraka ireo olona arovana eo anatrehan’ny kolikoly amin’ny resaka fananan-tany, hoy hatrany izy, nanao antso avo amin’ny ambaratongam-pahefana samihafa. Andrasana fatratra, ny fandraisana andraikitry ny Fanjakana.

Ny Fanoratana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer