
KolontsainaSongadim-baovao
RABOUSSA : Hankalaza ny faha-25 taona niakarany sehatra
Efa nanomboka nihira tamin’ny taona 1997 i Raboussa, araka ny fanazavana, saingy tamin’ny fiandohan’ny taona 2000 no tena niakaran’ny tarika an-tsehatra sy nahazoana laza. Hiverina an-tsehatra amin’ny fomba manetriketrika indray ny tarika, ao amin’ilay toerana nanombohany ny tantara.
« Fanomezam-boninahitra ho an’ny tarika Raboussa ity seho ity, noho izy ireo nanana ny anjara toerany lehibe teo amin’ny mozika Malagasy tamin’ny taona 2000 » hoy nambaran’i Sylvano Ratsimandresy tompon’andraikitra SR Event, izay mpikarakara ny hetsika goavana hotanterahina ny 31 aogositra 2025 ho avy izao ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina.
Ho heno mandritra ny fampisehoana adin’ny telo avokoa ireo hira tena nahafantarana ny tarika toy ny “mandrapihaona”, “nareo ve ?” “tsiky sy tomany”, “mpandresy”, “otran’lah”, “te ho any aminao” “azafady”, “henoy za” sy ireo maro samihafa.
Hiavaka tanteraka ny ravaky ny sehatra sy ny jiro ho ampiasaina ao an-toerana mandritra ny fampisehoana. Hanampy izany ireo mpanakanto tsy ho ampoizina raha ny « teasing » navoaka dia nahita an’i Tax ao amin’ny tarika Da Hopp, Malala (‘Zay) sns… Ny andron’ny fampisehoana vao ho fantatra tanteraka ireo hiaka-tsehatra hiaraka amin’ny tarika.
Efa manomboka ankehitriny ny fitetezam-paritra ataon’i Raboussa any ivelany sy eto an-toerana, ny akaiky indrindra dia ny fandehanan’ny tarika atsy amin’ny Nosy Maurice, aorian’izay dia hahita azy koa ny ao Antsirabe.
Tsy ho latsa-danja amin’ireo fampisehoana efa nataon’i Raboussa tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ity hetsika ity. Efa azo jifaina etsy amin’ny Supermusic Analakely na amin’ny aterineto ao amin’ny www.srevent.mg ny tapakila.
Njaratiana.




