Songadim-baovaoToekarena
FAMPIVOARANA NY RAFI-PAMOKARANA: Hatsangana ny ozinina famokaran-jezika sy fitehirizam-bokatra ao Sava sy Diana
Nisongadina nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notanterahina tany Nosy-Be, omaly 22 Mey, ny fanasongadinana ny fampivoarana ny rafi-pamokarana any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, dia ao amin’ny faritra SAVA sy DIANA. Notanisaina tamin’izany ny ezaka hotanterahina avy hatrany any an-toerana, dia ny fanaparitahana ny famokarana vary safiotra, ny fananganana ozinina mpamokatra zezika, ary ny fananganana toeram-pitehirizam-bokatra. Ireo voatanisa rehetra ireo moa, dia anisany tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika rahateo, izay efa natomboka notanterahina manerana ny faritra Maro eto Madagasikara. Nambaran’ny Filoha tamin’izany, fa « efa fanamby napetraka hatramin’izay ny hametrahana paikady goavana amina resaka Fanavaozana ara-pamokarana na « transformation agricole », izay miompana indrindra amin’ny fanampiana manokana ny tantsaha mpamokatra. Tsy latsa-danjan’ireo tantsaha maro amina faritra efa nisitraka izany anefa, ny fanampiana ireo ao amin’ny Faritra SAVA amin’ny famokaram-bary, dia ny famokarana avy amin’ny masomboly safiotra (hybride) izay hampiasana hatramina velaran-tanimbary mirefy 200 hekitara, miampy ny fanamorana ny fisitrahana zezika mineraly na organika ». Nambara tao anatin’izany ihany koa, fa hisitraka fitaovam-pamokarana ireo tantsaha miisa 2 000 mahery ao amin’ny faritra SAVA sy DIANA amin’ny fanomezana « batteuse » sy « vanneuse ». Nohamafisin’ny Filoha, fa hanomboka ny fanamboarana ozinina mpamokatra zezika ihany koa isika, ka zezika hatramin’ny 20 000 taonina isan-taona no hovokarina ao anatin’izany, ary hapetraka ao Ankiakabe, Distrika Andapa, Faritra SAVA. Ankoatra izay, ny fananganana fitehirizam-bokatra izay hahazaka hatramin’ny 5 000 taonina any amin’ny faritra SAVA. Ireo tetikasa rehetra ireo moa dia tanterahin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo, tarihin-dRamatoa Tahian’Ny Avo Razanamahefa. Efa miroso avy hatrany ny asa hanatanterahana izany, raha ny fantatra, izay kendrena hampisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny tantsaha, izay mahatanteraka ny vina « fahatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo sy ny fampivoarana ny rafi-pambolena ». Politika napetraka ao anatin’izany moa ny hoe « Tsy misy tantsaha ho adino ».
Nangonin’i Stan R.




