Songadim-baovaoToekarena

FAMETRAHANA FIARAHA-MIASA VAOVAO: Mpandraharaha maherin’ny 260 mampiranty eny amin’ny FIM

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly ny hetsika FIM (Foire Internationale de Madagascar) ho an’ny taona 2025. Tanterahana eny amin’ny tokontany malalaky ny CCI Ivato izany ary haharitra hatramin’ny alahady 25 mey ho avy izao. Nandraisana lesona ny fandinganana io andro voalohany io hoy ny fanazavana nentin-dRamatoa Ramanantsoa Tahiry, mpandrindra ny FIM. Raha tsiahivina mantsy dia nitondra fanavaozana maromaro ny orinasa Mada Vision tao anatin’ny fikarakarana ity hetsika ity. Io orinasa io izay vao sambany no niantsoroka ny fikarakarana ny FIM. Araka izany, misongadina amin’ny fanavaozana nentin’izy ireo ny fitodihana amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, fanomezan-danja  ny fanajana ny tontolo iainana sy ny maro hafa. Nisy ny lesoka madinika saingy nahitam-bahaolana haingana izany.

Fahombiazana sahady no azo handikana io “Foire Internationale de Madagascar” io. Miisa 440 ny tranoheva hita eny Ivato ka nampivondronana ireo mpandraharahana maherin’ny 260 isa izany. Maro an’isa amin’izy ireo ny avy eto an-toerana. Tsy diso anjara kosa anefa ny avy any ivelany. Avy amin’ny sokajy marolafy ireo mpandraharaha ireo. Misy ny efa matihanina, misy ny mbola an-dalam-pidirana amin’ny ara-dalàna. Ao koa ny vao misondrotra, ahitana fikambanana,  kaoperativa… Avy amin’ny sehatra marolafy izy ireo toy ny indostria, varotra, tolotra, fambolena, fitaterana, asa tanana sy fizahantany, ary fahasalamana. Sehatra vaovao hita tamin’ity andian’ny hetsika ity ny fampiofanana  Tanjona iraisan’izy rehetra ireo ny hoe aorian’izao hetsika izao ny fametrahana fiaraha-miasa vaovao miaraka amin’ireo olona liana ny hampivoatra izany.  Eo ihany koa ny fampahafantarana amin’ny besinimaro ny fisian’ireo orinasam-pandraharahana ireo. Tombony hafa amin’ny fanatanterahana ny FIM ihany koa ny fametrahana sehatra azo hifaneraserana. Ampiroboroboana izany amin’ny alalan’ny fanatanterahana valandresaka lehibe hifanakalozan’ny rehetra.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer