Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
RANON’IKOPA AMPASIKA : Zaza menavava 05 volana nokasain-dreniny havarina, avotry ny Polisy
Trangam-piarahamonina tsy dia fandre sy fahita matetika no niseho teny amin’ny manamorona ny Ranon’Ikopa Ampasika, ny andron’ny alarobia 21 Mey lasa teo. Zaza menavava iray vao 05 volana no nokasain-dreniny havarina an-drano teny an-toerana, no avotry ny Polisy soa aman-tsara. Raha ny zava-misy teny an-toerana nandritra io fotoana io, dia vehivavy ray monina eny amin’ny manodidina no nihazakazaka nampilaza haingana ny Polisy miasa eny amin’ny « Rond point » Ampasika, fa misy zazakely nokasain-dreniny hatsipy ao anaty rano. Tsy niandry fotoana ela fa vantany vao nahare io ireo Mpitandro filaminana dia nijery sy nanadihady ny zava-misy. Mbola hita teo amorony teo tokoa ilay zaza, ary ny olona mbola tratra nitangorona teo no nilaza, fa nahita vehivavy iray, izay noheverina ho iraka na renin’io zazakely io, no saika nandatsaka ilay zaza tao anaty rano, saingy voasakan’ireo nanatri-maso izany. Vantany vao napetrany anefa, ilay zaza, dia nitsoaka avy hatrany io vehivavy heverina ho reniny io, ary mbola hifampikarohana hatramin’izao, raha ny vaovao voaray farany. Ny Polisy avy amin’ny « Compagnie Urbaine d’Intervention » Tsaralalàna moa, no nandray an-tanana ity raharaha ity. Noraisin’ny Polisimpirenena an-tanana ilay zaza, ary naterina avy hatrany tao amin’ny sampan-draharahan’ny Polisy miaro ny zaza sy ny olona marefo ary miady amin’ny heloka mamoafady (SCPMPM) etsy Anosy. Efa misokatra ny fanadihadiana hikarohana ilay vehivavy nikasa hanoa ity heloka bevava amin-jaza ity amin’izao fotoana. Ny Polisim-pirenena dia manohy hatrany ny fiarovana ny zaza sy ny olona marefo amin’ny endriny rehetra. Tato ho ato izay dia mirongatra ny fanarian-jaza na famonoana ankizy tsy manan-tsiny. Tsy misy antony manamarina ny herisetra atao amin-jaza anefa, ary ny Polisim-pirenena dia manokatra fanadihadiana avy hatrany manoloana ireny karazana herisetra atao amin’ny tsy manan-tsiny ireny. Tranga iray hafa ihany koa mantsy, no re, teny amin’ny Fokontany Anosizato Atsinanana I, omaly tolakandro. Zaza menavava va vikely iray ihany koa, no voalaza ho nisy nanary teny amin’ny fokontany io. Tsy fantatra izay ray sy renin’io zaza io, fa mbola eo am-pitadiavana ny marina momba ity tranga ity ny Lehiben’ny Fokontany ao an-toerana.
Stan R.



