Songadim-baovaoToekarena

TAONA 2024 – 2025: Sokatra miisa 7 301 niharan’ny fitrandrahana an-tsokosoko

Fampirantiana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato no nentina nanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny sokatra omaly 23 mey. Tamin’izany no nahafantarana fa nahatratra 7 301 ireo sokatra nesorina teny amin’ny toeram-ponenany, niharan’ny fitrandrahana an-tsokosoko tamin’ny taona 2024-2025 lasa teo. Fanamafisana fanentanana amin’ny fiarovana azy ireo no tanjon’ny fampirantiana.

Biby anisan’ny mampiavaka an’i Madagasikara ny sokatra satria maro karazana izy ireo no tsy fahita raha tsy eto amintsika irery ihany. Atahorana ho lany tamingana anefa ny sokatra eto Madagasikara satria maro ny tsindry mihatra amin’izy ireo. Misongadina amin’izany ny fitrandrahana an-tsokosoko, ny fahasimban’ny toeram-ponenany, ny fihinanana, ary ny fanaovantsika azy ho biby fiompy. Fotoana anisan’ny nampirongatra ny fitrandrahana sokatra tsy ara-dalàna teto amintsika ny tamin’ny 2024-2025 lasa teo. Araka ny antontanisa avy amin’ny TSA (Turtle Survival Alliance) dia nahatratra 7 301 ireo sokatra nesorina tamin’ny toeram-ponenany, niharan’ny fitrandrahana an-tsokosoko teto Madagasikara nandritra io fe-potoana io. Sokatra amin’ny karazany “radiées” ny 6 089 amin’izy ireo, sokatra “araignées” ny 1 206, ary “tortues à soc” ny 6 ambiny. Ny TSA, raha tsiahivina, dia fikambanana misehatra amin’ny fiahiana ireo sokatra an-tanety manerana ny Nosy.

Na teo aza anefa ireo tranga ireo dia nahitam-pahombiazana ny fifanomezan-tanana niseho teto amin’ny firenena, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny haitondra ara-tontolo iainana eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Razafindrabe Rinah. Nisongadina ny fandraisan’andraikitra hatrany ifotony niaraka tamin’ireo VOI (Vondron’Olona Ifotony), ireo mpampihatra lalàna toy ny zandary sy polisy, ny avy eo anivon’ny fadintseranana ary ny olom-pirenena. Nisy ny sokatra tafaverina any amin’ny toeram-ponenana taorian’ny fitrandrahana azy teto an-toerana sy ny fanondranana tany ivelany. Maro ihany koa ny tambazotra mpanondrana an-tsokosoko rava ka efa mizaka ny sazy sahaza azy izy ireo ankehitriny. “Tsy teto Madagasikara ihany ny ady natrehintsika fa nisy ihany koa ny fiarahana tamin’ireo firenena manerana an’izao tontolo izao. Tamin’iny taona iny no nahafahantsika namerina ireo sokatra sy varika izay nahondrana an-tsokosoko tany Thaïlande. Amin’izao fotoana dia mifanome tanana amintsika ny firenena rehetra mba hahafahana miaro ireo harena voajanahary eto amintsika ireo”, hoy hatrany ny tale jeneraly.

Atao laharam-pahamehana, araka izany, ny fiarovana ny sokatra eto Madagasikara. Fanamafisana ny fanentanana mahakasika izay fiarovana izay no antony hikarakarana ny fampirantiana mahakasika ny sokatra sy ny toeram-ponenany, izay tanterahana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly izany ary haharitra hatramin’ny 21 jona 2025. Mifanindran-dalana amin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny sokatra isaky ny datin’ny 23 mey ihany koa moa ny fanatanterahana io hetsika io. Tanjon’ny fampirantiana ny fampahafantarana amin’izao tontolo izao io harena hananan’i Madagasikara io ka ny mba hisarihana ny rehetra amin’ny fiarovana sy ny fikajiana ny sokatra. Fantatra fa hitarina hatrany amin’ny seranam-piaramanidin’i Nosy Be ihany koa io fampirantiana io.
Ankoatra ny fikarakarana hetsika toy izao, paikady maro no hampiharina mba ho fiarovana ireo sokatra. Ohatra amin’izany ny fanamafisana ny fiarovana ireo valanjavaboary manerana ny Nosy, ny fampiasana teknolojia vaovao toy ny “drone” sy ny “puce”, ary ny fanentanana ireo olona mipetraka manodidina ireny valanjavaboary ireny.

Saobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer