KolontsainaSongadim-baovao

FETIN’NY RENY : Hafana ny “Fetin’i Maman’ty” etsy Antsahamanitra rahampitso

Fotoana iray tsy nohadinoan’ny mpianakavy mihitsy ny “Fetin’i Maman’ty” isan-taona, rehefa tonga ny fetin’ny Reny. Hetsika izay ahitana ireo mpanakanto sady mpanao hatsikana kalaza eto amintsika, toa an’i Francis Turbo, Gothlieb, Honorat, Eric, Barhone, Etsetra etsetra. Roa taona nefa izay no tsy nisy intsony io fety io, noho ny anton’ny fikarakarana, araka ny nambaran’i Honorat, raha nivahiny tao amin’ny fandaharana Hiaka-tsehatra tao amin’ny FREE FM sy FREE TV ny tenany ny alakamisy teo. Nisy tsy fahombiazana ny “fetin’i Maman’ty” farany, araka ny nambarany, ka amin’ity taona ity indray vao misy andiany manaraka , izay natao hoe “Fetin’i Maman’ty Le Grand Retour”.

Araka izany, dia hiavaka ny fiarahana amin’io andron’ny rahampitso io, izay hotanterahina etsy Antsahamanitra. Manomboka amin’ny 2ora dia efa misokatra ny vavahady.  Hatsikana, hira, dihy no hameno ny fandaharam-potoana. Hampiavaka ity andiany ity ny fisian’i Raytra Belawyck sy Ely Nomenjanahary.

Eny amin’ny Super music Analakely no jifaina ny tapakila, na eny Antsahamanitra amin’ny andron’ny fampisehoana. 10 000ar ny tapakila tsotra, tapakila Vip: 60 000 ar, Gold : 40 000 ar, ary Silver:30 000 ar.

Randriah.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer