Songadim-baovaoSosialy

“JOB FAIR MADA” ANDIANY VOALOHANY: Tanora malagasy hatramin’ny 800 isa hiasa any Maorisy

Noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta malagasy sy maorisy, ary ny masoivoho roa tonta eto sy any an-toerana, dia teraka ny fitadiavana mpiasa hiasa any Maorisy. Tanora vonon-kiasa 600 ka hatramin’ny 800 isa no avy hatrany dia hisitraka ity tolotr’asa mivantana ity, izay tanterahina eny amin’ny Carlton Anosy, nanomboka omaly 23, ary hifarana anio sabotsy 24 Mey 2025, amin’ny alalan’ny orinasa EBS any Maorisy. Ity farany, izay mamondrona orinasa maherin’ny 30 isa avy any an-toerana, izay tonga manao tolotr’asa mivantana eto. Hiasa any an-toerana avy hatrany ireo tanora miisa 800, aorian’ny fitsapana mivantana sy ny fikarakarana antontan-taratasy mankany ivelany, raha ny nambaran’Andriamatoa Amir Spaer Rajerison, Collaborateur-ny orinasa EBS any Maorisy. Sehatr’asa maro toy ny seha-pananganana, ara-pahasalamana, fampitaovana, ary fizahan-tany sns maro no atolotr’ireo orinasa Maorisiana tonga eto ireo. Eo anatrehan’ny fiarovana ny mpiasa, dia fantatra, fa efa misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny masoivohon’i Madagasikara any Maorisy, miaraka amin’ny Minisiteran’ny asa sy ny fampananana asa. Ho voahaja avokoa, araka izany, ny zon’ny mpiasa hiasa any an-toerana, noho ny fiahian’ny masoivoho any an-toerana, sy ny fankasitrahan’ny departemanta maromaro voakasika. Roa taona azo havaozina kosa, ny faharetan’ny fe-potoam-piasana any an-toerana io. Ho fisorohana ny mety hisian’ny fifindra-monina an-tsokosoko indray, dia nambaran’ny tompon’andraikitra, fa hanana fahazoan-dalana hiasa any Maorisy avokoa ireo tanora horaisina, izay midika fananana zom-pirenena maorisiana. Tombony ho azy ireo, araka izany, ny fiasana any an-toerana. Ny orinasa koa no miantoka feno ny fikarakarana dosie, ny tapakila handehanana fiaramanidina, sns. Raha ny karama farany ambany any an-toerana dia fantatra, fa vonon-kanaja izany ireo orinasa rehetra mpitady mpiasa, izay manodidina ny 10 000 ka hatramin’ny 20 000 roupie. Nambaran’ny iray tamin’ireo tanora tonga teny amin’ny Carlton niatrika ny fitsapana voalohany, fa tombony ho azy ireo ny fandehanana any an-toerana, amin’ny fahazoana karama ambony noho ny eto, sy ny antoka tsara omen’ny orinasa mpampiasa.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer