Songadim-baovaoSosialy
LOHOLONA LALATIANA RAKOTONDRAZAFY : Nanolotra boky sy fampitaovana ho an’ny tranombokin’ny Kaominina Andranonahoatra Itaosy
Manana tranomboky tsara sy moderna azo avy tamin’ny tetikasa PRODUIR ny kaominina Andranonahoatra Itaosy, fa saingy tsy ampy ny boky misy ao nefa betsaka ny ankizy mpianatra mitsidika sy tonga mianatra sy mamaky boky ao. Izany indrindra no nahatonga ny ekipan’ny ben’ny tanàna nangataka tamin-dRamatoa Loholon’i Madagasikara, Lalatiana Rakotondrazafay mba hamatsy boky fianarana ho an’ny ankizy ao amin’ity tranomboky ity.
« Izaho moa tia boky rahateo ka dia nifandray ny tadin-dokanga, ka tsy nataonay sakana mihitsy ny maha-ben’ny tanana TIM azy fa dia tonga nanolotra ny boky tany izahay sy ny ekipako androany (ndlr : omaly), nanolotra fitaovana « vidéo-projecteur » koa mba ahafahan’ny mpitsidika ny tranomboky mijery horonantsary fampianarana isan-karazany izay efa ananan’izy ireo ao fa tsy azo nampiasaina talohan’izao », hoy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy.
Nanamafy ity Loholona ity fa hitohy hatrany ny fiarahamiasa misy eo aminy sy ny Ben’ny tanàna. « Izaho mamporisika an’Atoa Ben’ny tanana amin’ny filofosany hampivoatra ny tanàna izay tantanany », hoy ny Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy. Tsara ho fantatra fa manao ezaka fanamboarana ny biraon’ny Kaominina izao ny ao Andranonahoatra Itaosy. Ka nanaovan’ny Ben’ny tanàna ao an-toerana antso tolo-tanana tamin’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy ny amin’ny fanaovana izany asa izany.




