PolitikaSongadim-baovao
TOKELY JUSTIN: “Tsy misy fitsipaham-pitokisana ao amin’ny Antenimierampirenena”
Nandritra ny fandraisan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin fitenenana, tany Nosy Be ny sabotsy lasa teo. Nanambara mivantana tamin’ny vahoaka izy fa « tsy misy velively ny « motion de censure » ao amin’ny Antenimieram-pirenena, ary tsy ho fitaovana hitondra krizy na hanakorontana ny Fitondrana izany andrim-panjakana izany ».
Hentitra ny fanambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, ny sabotsy lasa teo, teo anatrehan’ny vahoaka tao Nosy Be fa « tsy misy velively ny « motion de censure » na fitsipaham-pitokisana ao amin’ny Antenimieram-pirenena », ary tsy ho fitaovana hitondra krizy na hanakorontana ny Fitondrana izany andrim-panjakana izany. Nilaza mazava filohan’ny Antenimieram-pirenena, Tokely Justin, « fa amin’ny tany demokratika dia “rapport de force” na fifandanjan-kery no mandanja, fa tsy fifandaminana mitarika korontana. Nasongadiny fa ho an’ny fianakaviana politika manohana filoha kosa, dia aoka ianareo hanaiky sy hanaraka fandaminana.
Raha misy ny feo miezinezina manonona krizy na tolon-ketrika, dia olom-bitsy manana olana manokana, hoy izy, no mamelively. Nandritra io fihaonana io dia nambarany fa tsy anjaran’ny Antenimierampirenena no mitarika fikorontanana. « Tsy izahay no hitondra krizy hampikorontana firenena », hoy izy nanamafy, raha nitodika tamin’ny resabe eny an-kianja sy eo anivon’ny tambazotra ara-tsosialy.
Firaisan-kinan’ny samy mpanohana
Nampirisika ireo mpiara-dia amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina koa izy, mba hanaiky sy hanaraka ny fandaminana, “Efa matanjaka isika, ka tokony ho iray saina amin’ny fanatanterahana iraka”, hoy hatrany ny filohan’ny Antenimierampirenena. Tsy nisalasala i Tokely Justin nampitaha ny Filoham-pirenena amin’i Nehemia tao amin’ny Baiboly, izay lehilahy nitondra fanarenana tao Jerosalema, tao anatin’ny fotoan-tsarotra, na teo aza ny fanakianana avy amin’ireo teo aloha. “Toa an’i Nehemia, mitondra fanarenana sy fandrosoana ao anatin’ny fotoana fohy ny Filoham-pirenena”, hoy izy.
Nankahery ny Filoha Andry Rajoelina koa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ary nilaza fa manohana tanteraka azy ny vahoaka avy eto Nosy Be, ny faritra Avaratra, ary ny Malagasy maro an’isa. “Manana ilay solomaso mahita fampandrosoana ny vahoaka”, hoy izy, nanamarika fa tsy irery amin’ny tolona ny Filoha. Amin’izao fotoana ifandanjan’ny hery sy fitadiavana firindrana ara-politika izao, nanamafy amin’ny fomba ofisialy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena fa « tsy hisy fanakorontanana avy amin’ity andrim-panjakana ity. Tanjona lehibe ny fiarovana ny filaminana sy ny fanohizana ny ezaka fanarenana, miaraka amin’ny Filoham-pirenena sy ny vahoaka mitaky fandrosoana ».
Pierre M.




