PolitikaSongadim-baovao
FAHAVITAN’NY LALANA RNS 57 : Mihoatra ny 80 km ny lalana namboarina manontolo ao Nosy Be
Nitohy ny sabotsy teo, ny fandaharam-potoan’ny Filoha tao Nosy Be. Nanomboahana izany ny fitokanana ny lalana RNS 57, izay mampitohy an’i Hell Ville – Fascene – Ambatozavavy, izay mirefy 39 km. Amin’izao fahavitan’ny RNS 57 izao, dia mihoatra ny 80 km, ny lalana namboarina manontolo ao Nosy Be. Efa nisy mantsy ny lalana antsoina hoe « Ceinture du Nord », miainga eo amin’ny Seranam-piaramanidina Fascene, nivoaka an’i Madiro, hatrany Andilana, mirefy maherin’ny 30 km, izay efa notokanan’ny Filoha ny taona 2022. Misy ambiny 8 km, izay efa 60 % ny fandrosoan’ny asa. Araka izany, vita ny lalana izay mihodidina an’i Nosy Be, sy mampifandray ireo toerana rehetra izay mahasarika mpizahatany. Notsindrian’ny Filoha Andry Rajoelina « fa manamarika izao fotodrafitrasa izao, fa miova i Nosy Be. Misosa ny lalana, ary mazava ny zotra mitondra amin’ny fampandrosoana an’i Nosy Be. Raha lalana natao adin’ny roa teo aloha, dia 45 minitra no anaovana izany ankehitriny ». Notsiahiviny fa ny fiandohan’ny fotoam-pitantanany voalohany, ny taona 2019 izy no nanapa-kevitra fa tsy maintsy amboarina ny lalan’i Nosy Be, raha nitondra mpandraharaha vahiny tao an-toerana iny izy, ijery ny famatsiam-bola azon’izy ireo atao ampandrosoana ny fizahantany ao an-toerana.
Fampiasam-bola amin’ny fotodrafitrasa fototra
« Porofon’ny fanatanterahana ny vina fampandrosoana ny fizahan-tany ny asa notanterahan’ny Filoha ao Nosy Be », hoy Rafidison Richard, minisitry ny Asa vaventy. Raha ny tantara, hoy izy, dia ny taona 1984 no nisy fanamboaran-dalana manontolo farany tao Nosy Be. Taorian’izay, ny fanamboarana madinidinika no natao, ny fiandohan’ny taona 2000, sy ny taona 2014. Fiaraha-miasa avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny tetikasa PIC moa no nanatontosana ireo asa fanamboaran-dalana manontolo nataa amin’izao ireo. Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny kalitaon’ny asa.
Nomarihin’i Atou Seck solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena tao anaty kabariny fa ny fanamboaran-dalana dia isan’ny fampiasam-bola amina fotodrafitrasa fototra, izay mitondra fiantraikany mivantana amin’ny harin-karena. Ahafahana mampirisika ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola tsy miankina ihany koa izany. Rehefa miresaka an’i Nosy Be moa, dia ny fampiroboroboana ny fizahantany no tonga voalohany ao an-tsaina. Io no fidiram-bola voalohan’ny mponina ary mamelona ny toekaren’i Nosy Be. Araka ny nambaran’i Atou Seck hatrany, dia miteraka asa maro sy mampiroborobo sehatra maro tahaka ny fambolena, ny asa tanana sy ny maro hafa ny fizahantany. Araka ny fanadiadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena dia isaky ny 1 dolara lanin’ny mpizahatany, dia mitondra 2,5 dollars ho an’ny mponina tsirairay. Inoana, araka izany, fa hanamafy ny fampiroboroboana ny fizahantany ny fahavitan’ny lalana.
Asa mipaka mivantana amin’ny vahoaka
“Efa hitantsika taratra ny lalana izay alehantsika. Na isika manamboatra izay simba, na manangana sy manorina ho an’ny vahoaka. Tsy ekentsika kosa ireo izay misakana, misompatra, ireo izay manakana ny fampandrosoana”, hoy ny Filoha Rajoelina tao anaty lahateniny. Mahakasika ny fanamboaran-dalana ao Nosy Be, dia nomarihin’ny Filoha fa “ny mason’ny tsy mahita izany dia efa Jamba, ny sofin’ny tsy mandre dia efa marennes angamba”, hoy izy. Notsiahivin’ny Filoha nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ity lanonam-pitokanana ny RNS 57 ireo tetikasa amahana ny olan’ny famatsiana herinaratra sy ny famatsiana rano fisotro madio ho an’i Nosy Be. Izany dia asa mipaka mivantana amin’ny fiainam-bahoaka. Eo ny fametrahana ny « centrale solaire », izay natomboka tamin’ny fomba ofisialy afakomaly ny asa. Eo koa ny fanatsarana ny lafiny fahasalamana, amin’ny fanomezana « scanner » ho an’ny hopitalin’i Nosy Be, sy ny fanavaozana ny resaka « radiographie ». Tiana ny manamarika fa nanotrona izany lanonana izany hatrany ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, izay notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ireo solombavambahoaka, izay notarihin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, ireo mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona, sy ireo Ben’ny tanàna maro.
Nangonin’i Rado Harivelo


