Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

HALATRA MIHARO HERISETRA: Jiolahy iray tra-tehaky ny Polisy teny Anjanahary

Tovolahy 22 taona no vaosambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Antaninandro, ny sabotsy 24 mey lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Ity farany, izay fantatra fa avy nangalatra kitapo nisy fitaovana maro, toy ny finday miisa roa, niampy karapanondrom-pirenena sy taratasy fahazoan-dalana hamily fiara, ary “power bank”. Polisy nanao fisafoana no nahita ity vokatra ity, ary lehilahy 24 taona, mpamily fiara karetsaka no nanaovan’ity ny asa ratsiny. Tsy vitan’izany fa mbola nanaovana herisetra koa ity mpamily taksi ity ka naratra vokatr’izany. Nentina namonjy biraon’ny Polisy avy hatrany ity jiolahy ity, ary nasaina nametraka fitoriana ilay niharam-boina. Mitohy hatrany ny ady amin’ny asan-jiolahy eto an-dRenivohitra, ary ny Polisim-pirenena dia tsy mitsaha-manentana hatrany ny olom-pirenena hampilaza azy raha mahita tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiarahamonina.

S.R

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer