PolitikaSongadim-baovao
FANITSIANA NY LALAM-PIFIDIANANA: Naneho ny heviny momba ilay tolo-dalàna 005-2025 ny Ceni
Nisarika ny sain’ny mpanara-baovao ny momba ilay tolo-dalàna 005-2025 entin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jeneraly Richard Ravalomanana, mandritra izao fotoam-pivorian’ny Antenimiera roa tonta izao, izay mitondra fanovana ny lalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara.
Ny 22 mey teo no nandalo asam-baomiera, ary mbola handalo ny fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina eo anivon’ny Antenimierandoholona ilay tolo-dalàna 005-2025 entin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, ka azo antoka fa mandritra izay fotoana izay no hahafahana mahazo ny antsipiriany momba ny fanitsiana tiany ho entina ao anatin’ny lalàm-pifidianana ny mpanara-baovao.
Fa araka ny angom-baovao, nandritra ny fivorian’ny Antenimiera parlemanta miteny frantsay na ny APF dia nampita matetika ireo vehivavy filohana antenimiera ny fitarainana momba ny tsy fifandanjan’ny isan’ny solombavambahoaka lahy sy vavy, satria mbola ambany hatrany ny isan’ireo vehivavy. Noho izany, nisy ny antso nataon’izy ireo mba hampiharana lalàna mifehy ny miralenta eo amin’ny solontenan’ny vahoaka any amin’ny firenena mpikambana amin’ny APF. Isan’ireo nanohana izany fomba fijery izany ny Filohan’ny Antenimierandoholona malagasy , izay nomarihiny fa tokony ho safidina ny fanajana io miralenta io sy ny safidin’ny vahoaka mpandatsa-bato mba tsy hisian’ny fifanoherana eo amin’ny fanajana ny fitovian’ny lahy sy vavy eo amin’ny fifidianana sy ny fanajana ireo foto-kevitra demokratika amin’ny fahafahan’ny olom-pirenena mifidy malalaka. Soso-kevitra naroson’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, tamin’ny tolo-dalàna 005-2025/sénat/PPL, manova ny lalàna fototra laharana 2018-008 tamin’ny 10 aprily 2018 mikasika ny Fitondrana ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapahan-kevi-bahoaka, ny fametrahana adidy amin’ny Antoko sy Vondrona politika mba hanaja ny miralenta eo amin’ny famolavolana sy ny fanolorana ny lisitry ny kandidà, araka ny fepetra voalazan’ny andininy farany ao amin’ny lalàmpanorenana.
Tsy misy lalàna mandrara
Tetsy ankilany, tsy misy ny lalàna mandrara ny fanolorana volavolan-dalàna mahakasika ny fanovana lalàm-pifidianana, hoy ny Filoha lefitra voalohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Ando Andriamalazaray, omaly. Ny andininy faha-61 ao amin’ny lalàna 2015-020, izay mifehy ny Ceni, dia milaza fa adidin’ny Filohan’ny Ceni no mandefa tolo-kevitra mankany anivon’ny Governemanta, ary mankany amin’ny antenimiera, mba hitondrana fanatsarana mahakasika ny fitsipika ifampifehezana momba ny fifidianana. Ho an’ny lalàm-pifidianana ankehitriny dia betsaka ireo teboka mila hatsaraina, ary tsy vitsy koa ireo teboka efa tsara.
Notsindrian’ity mpikamban’ny Ceni ity kosa anefa fa io andininy faha-61 io dia tsy milaza mihitsy hoe tsy misy afaka manao lalàna sy tsy misy afaka mitondra fanatsarana, na amin’ny alalan’ny tolo-dalàna, na volavolan-dalàna, entina hanovana ny lalàna mifehy ny fifidianana.




