PolitikaSongadim-baovao

FIARAHA-MIENTANA HO AN’NY SOA IOMBONANA: Hanao Tagnamaro isam-bolana ny Antenimierandoholona

Lalantsaina fiaraha-mientana ho an’ny soa iombonana sy fanehoana firaisankina, fanatsarana sy fikajiana ny fananana iombonana, fanehoana fitiavan-tanindrazana sy fitaizana ho olompirenena vanona sy tompon’andraikitra ny Tagnamaro. Nanatanteraka izany indray ny teo anivon’ny Antenimierandoholona omaly, izay notarihin’ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona, Nicolas Rabemananjara, nisolo tena an’Andriamatoa Jeneraly Ravalomanana Richard, Filohan’ny Antenimierandoholona.

Niova endrika nahafinaritra tao anatin’ny fotoana fohy ny Lapan’ny Antenimierandoholona, rehefa nanome tanana maro be hanatsarana azy ny mpiara-miasa rehetra. Nodiovina ny toerana naloto sy nitahiry fofona maimbo, nohajariana nambolena voninkazo sy zava-maitso ary noravahana na ny anatiny na ny ivelany, nolokoina ny rindrin’ny tamboho sy ny tavim-boninkazo, nofafana ny manodidina mba ho mendrika ny maha-Lapampanjakana azy.

Marihina fa tompon-kevitra tamin’izao hetsika izao ny Loholon’i Madagasikara Rakotondrazafy Lalatiana sy ny mpiara-miasa aminy. « Isaorako ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Jeneraly Richard Ravalomanana nanome alalana ny fanatanterahana azy ary nanome toromarika mihitsy fa hotohizana isam-bolana ny TAGNAMARO ho an’ny Antenimierandoholona. Isaorako koa ny vadiny, Rtoa Sahondra Ravalomanana nisolo tena azy niara-nisalahy taminay, sy ireo Loholona namana, ary ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny Sénat… Faly sy afaka mirehareha foana rehefa mahatafita ity lalantsaina ity, ny firaisankina no hery ary rehefa mitambatra dia mahavita zavatra tsara ho an’ny Tanindrazana », hoy ny Loholona Rakotondrazafy Lalatiana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer