Songadim-baovaoToekarena
« MADAGASCAR – DUBAI BUSINESS FORUM » : Handray anjara amin’ny fihaonambe ara-toekarena ny Filoha Andry Rajoelina
Ambohipihaonan’ireo mpandraharaha goavana eo amin’ny sehatra tsy miankina Emirati sy Malagasy, i Dubai, eo anivon’ny Emirats Arabo mitambatra mandritra ny roa andro, ny 27 sy ny 28 mey 2025. Araka ny fampitam-baovao, tanterahina ao Dubai, mandritra ny roa andro ny fihaonambe ara-toekarena « Madagascar – Dubai Business Forum ». Handray anjara amin’izany fihaonambe ara-toekarena izany ny Filoha Andry Rajoelina, izay mametraka ho laharam-pahamehana ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampirisihina ny fampiasam-bola ho antoky ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Ny Filoha Andry Rajoelina koa no mitarika ny delegasionina malagasy mafonja any an-toerana, izay handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony. Ao anatin’izany delegasionina izany ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina malagasy miisa 61 sy ireo vondrona orinasa miisa 5 (GEM, SIM, SIMABIO, FCCIM, CTM) ary ny EDBM « Economic Development Board Madagascar », izay mampiseho ny maha goavana sy manan-danja ity fihaonambe ity. Orinasa emirati avy eo Dubai avokoa miisa 92, izay mivondrona ao anatin’ny Dubai Chambers ( fédération chambre de Commerce Dubai) kosa, no vonona hihaona sy hifampiresaka amin’ireo Mpandraharaha malagasy. Eo koa ny « Invest Dubai », izay mitovy lanja amin’ny EDBM antsika Malagasy.
Hanokatra lalam-piaraha-miasa vaovao…
Raha tsiahivina, haitariky ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny « World Governement summit 2025 », ny volana febroary 2025 teo, no nitsirian’ny hevitra ny hanatanterahana ny « Madagascar – Dubai Business Forum ». Nisy, araka izany, ireo fanomanana antsipiriany natao ka nahatongavana amin’izao hetsika izao. Tanjon’ny fihaonambe ny hanamafy ny fiaraha-miasa, hanokatra tambazotram-piaraha-miasa, hanokatra lalam-piaraha-miasa vaovao, hampirisika ny fampiasam-bola eo amin’ny Fanjakana emirati sy ireo mpandraharaha malagasy. Tsy hijanona eo anivon’ny Emirati fotsiny mantsy ny lalam-piaraha-miasa ho azon’i Madagasikara fa hisokatra hatrany amin’ireo firenena hafa, izay mpiara-miasa amin’ny Emirati. Nandray anjara goavana sy nanampy tosika tamin’ny fahavononan’ireo mpandraharaha emirati, hihaona amin’ny Mpandraharaha malagasy ny fisokafan’ny sidina Antananarivo – Dubai, ny taona 2024, izay nisokatra taorian’ny haitarika sy ny fihaonana manokana teo amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filohan’ny Emirates Airline et Group ny taona 2024, tao Dubai ihany.
Rado Harivelo



