Songadim-baovaoToekarena

« MADAGASCAR-DUBAI BUSINESS FORUM » : Vonona ny Firenena malagasy hisokatra amin’ireo mpampiasa vola Emiratis

Nisokatra omaly tamin'ny fomba ofisialy tao amin’ny Dubaï Chambers ny « Madagascar - Dubaï Business Forum ». Mpandraharaha malagasy miisa 79 sy mpandraharaha ary mpampiasa vola matanjaka emiratis miisa 125 no mandray anjara amin'izany fihaonambe izany. Notsipihan'ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina nandritra ny lahateny izay nataony fa vonona i Madagasikara hisokatra amin'ireo mpampiasa vola Emiratis…

Nisokatra omaly tamin’ny  fomba ofisialy tao amin’ny Dubaï Chambers ny « Madagascar – Dubaï  Business Forum ». Mpandraharaha malagasy miisa 79 sy mpandraharaha ary mpampiasa vola matanjaka emiratis miisa 125 no mandray anjara amin’izany fihaonambe izany. Notsipihan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina nandritra ny lahateny fanokafana izay nataony fa « vonona i Madagasikara hisokatra amin’ireo mpampiasa vola Emiratis ». Nasongadin’ny Filohan’ny Repoblika ireo seha-pihariana laharam-pahamehana ho an’ny fampandrosoana ny Firenena malagasy: ny famokarana angovo azo havaozina, ny fambolena, ny fotodrafitrasa sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra ary ny fizahantany. Nankasitraka manokana ireo solontena avy amin’ny sehatra tsy miankina malagasy tonga marobe nanatrika ity fihaonambe ity koa ny Filoha Andry Rajoelina, izay manamarika ny fahavononan’izy ireo handray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny indostria malagasy.

80%-n’ny vokatra fihinana dia afarana

Nisy ny fandraisam-pitenenana samihafa nandritra ny hetsika « Madagascar Dubai Business Forum ». Nanokatra izany ny Chairman ny Dubai Chambers. Tsiahivina fa ny Dubai Chambers dia ivondronan’ireo Tranoben’ny varotra rehetra ao Dubai. Anisany noresahiny manokana ny tombondahin’i Madagasikara amin’ny sehatry ny fambolena. Noresahiny fa azo eritreretina tsara ny fanafarana ny vokatra fihinanana avy any Madagasikara. 80%-n’ny vokatra fihinana ao Dubai  mantsy dia afarana avokoa. Notsipihiny manokana ny maha zava-dehibe ny fisokafan’ny sidina Tana – Dubai, izay nanokatra fifandraisana teo amin’i Madagasikara sy Dubai ary ny Emirats Arabo mitambatra. Seha-pihariana maro no azo eritreretina iaraha-miasa, toy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny indostria, ny ara-bola sy ny toekarena manga. Manana fifandraisana ara-tantara i Arabo sy i Madagasikara, efa nanomboka tany amin’ny taonjato fahasivy,  fony ireo arabo tonga taty Madagasikara ; ary izao nipetraka izao indray amin’ny alalan’ny sidina Emirates. Naneho ny faniriany ny hahamafy orina  ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena roa tonta ity tomponandraikitra ity.

Manana seha-pihariana marolafy i Madagasikara,

Anisany nandray fitenenana koa, ny minisitry ny Varotra sy ny fampiroboroboana ny indostria, David Ralambofiringa. Nasongadiny fa hiteraka vokatsoa ho an’ny firenena sy ireo mponina amin’ireo firenena roa tonta, ny fanamafisana sy ny fanokafana fiaraha-miasa vaovao amin’i Madagasikara sy i Emirats Arabo mitambatra. Nanosika ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany, ny fisokafan’ny sidina Emirates. Fa tsy izany ihany, fa firenena manana toerana ara-stratejika i Madagasikara. Tetezana tsy azo ihodivirana mampitohy an’i Azia. I Madagasikara koa dia lalana afa-manokatra ny tsena eo anivon’i Afrika. Manana seha-pihariana marolafy i Madagasikara, toy ny lavanila, ny jirofo, ny lohamenaka… Mamaly ny filàna eran-tany amin’ny tinady amin’ny « cobalte » sy ireo « terrres rares » ihany koa i Madagasikara.

Nandray fitenenana koa ny Tale jeneralin’ny EDBM, Josielle Rafidy. Nohamafisiny nandritra ny fandraisam-pitenenany « fa firenena azo antoka amin’ny fampiasam-bola i Madagasikara ». Nampahafantariny antsipiriany nandritra ny lahateniny avokoa, ireo sehatra ahafahan’ny Emirati mampiasa vola. Eo ny sehatry ny fambolena, ny toekarena manga, ny angovo, ny fotodrafitrasa sy ny maro hafa. Nasongadiny ny lanjan’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny tsena iraisampirenena. Voalohany amin’ny famokarana sy fanondranana « caviar » maneran-tany i Madagasikara. Voalohany maneran-tany i Madagasikara amin’ny fanondranana lavanila.

Nangonin’i Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer