Songadim-baovaoSosialy

FAHASALAMANA: Mihamaro ny Malagasy mitsabo tena any Maurice

Ny tsy fahampian’ny fitaovana no matetika olana ho an’ny sehatry ny fitsaboana eto Madagasikara. Manome vahaolana mifanaraka amin’izany ny hopitaly lehibe atsy amin’ny Nosy rahavavy Maurice. Tsapa, araka izany, fa mihamaro ireo Malagasy tonga mitsabo tena any an-toerana. 55 ny antontanisa tamin’ny taona 2023. Niakatra 90 izany tamin’ny taona 2024 lasa teo.

Olana teo amin’ny lohalika no nahazo an’i Stéphan Randrianantenaina rehefa izy niatrika lalao baolina kitra iny ka nianjera. Raha ny fanazavan’ny tovolahy dia tamin’ny volana aogositra 2024 izy no tojo io tsy fahasalamana teo amin’ny faritry ny tongony io. Nitety mpitsabo teto Antananarivo kanefa tsy nahita fiovana teo amin’ny fahasalamany izy nandritra ny volana maromaro. Natao ny fanadihadiana lalina vao fantatra fa mila miatrika fandidiana ny tenany. Nanatona hopitaly lehibe iray teto an-drenivohitra kanefa tsy tontosa io fandidiana io noho ny tsy fahampian’ny fitaovana. Mila miharitra hatramin’ity taona 2025 ity ny tenany raha toa ka tsy maintsy miandry izay fandidiana eto an-toerana izay ihany. Tamin’izany indrindra no nanomezan’ny mpitsabo azy toromarika ny amin’ny hanohizan’i Stéphan Randrianantenaina ny fitsaboana ny tongony atsy amin’ny Nosy rahavavy Maurice. Notanterahan’izy ireo izany ka dia tontosa tamin’ny volana desambra 2024 ihany ny fandidiana tany amin’ny hopitaly “Royal Green”. Volana maromaro aty aoriana, ao anatin’ny fahasalamana tsara ny tovolahy.

Ankoatra azy dia mizara ny tombontsoa azony tamin’ny fitsaboana nomen’io hopitaly maorisianina io ihany koa i Rasadifera Dariandry. Olana teo amin’ny fo indray no nahazo ity raim-pianakaviana ity. Izany hoe nahitana fahatsentsenana ny lalan-drà tao amin’ny fony. Natao ny fitsaboana teto Madagasikara saingy tsy nisy fiovany ny aretina. Fantatra, araka izany, fa io hopitaly lehibe any Maurice io no afaka mitondra vahaolana ho azy. Tsy maintsy hisy mantsy ny fandidiana atao amin’io raim-pianakaviana io mba hametrahana fitaovana madinika ao amin’ny lalan-dràny, hanokatra izany ka mba afaka ny hikoriana an-kalalahana ny rà. “Naka ny tsara ho fantatra rehetra momba io hopitaly io izahay. Natao ny tombana rehetra ny amin’ny mety ho fandaniana. Azo nifampiraharahana tsara izy ireo. Na amin’ny resaka fampiantranoana na amin’ny lafiny fikarakarana”, hoy ny fanazavana nentin’i Rasadifera Dariandry. Nambarany ihany koa fa tao anatin’ny 25 minitra monja no nanatanterahana ny fandidiana natao taminy. Midika izany fa tena efa matihanina ireo mpiantsehatra ao.

Olana ny tsy fahampiana fitaovana

Toa azy mianaka ireo dia tsikaritra ankehitriny fa miha betsaka ireo Malagasy mitady fitsaboana ao Maurice. Nohazavain’ny dokotera malagasy iray miara-miasa amina toeram-pitsaboana any an-toerana fa manana mpitsabo mahay sy matihanina amin’ny seha-pitsaboana i Madagasikara, kanefa mbola sakana ny lafiny fitaovana izay mametra ny fitsaboana eto an-toerana. Karazana fandidiana maromaro, araka izany, no mbola tsy azo tanterahana eto amintsika. Akaiky an’i Madagasikara no sady manome tolotra ara-pahasalamana mifanantsahana amin’ny fahefan’ny Malagasy ny atsy Maurice ka izany indrindra no mahasarika ny olona hitsabo tena any amin’io Nosy io.

Anisan’ireo hopitaly lehibe manaraka ny fenitra iraisam-pirenena hita any an-toerana moa ny “Royal Green Hospital”.  Misandrahaka amin’ny lafim-pitsaboana maro izy, na amin’ny fanaovana fizaham-pahasalamana izany, fandidiana, fanaovana fitarafana sy ny maro hafa. Tamin’ny taona 2023 io hopitaly maorisianina io no nanomboka nahatsikaritra ny fiakaran’ny antontanisan’ny Malagasy tonga mitsabo tena any amin’izy ireo. Marary miisa 55 no noraisina an-tanana tamin’io fotoana io, araka ny fanazavana nentin’i Ramchurreetoo Dhanrajsingh, tompon’andraikitra ao amin’ny “Royal Green Hospital”. Niakatra ho 90 indray izany tamin’ny taona 2024 lasa teo. Nandritra ny 4 volana voalohany tamin’ity taona ity, efa nisy 25 ireo Malagasy notsaboina tany amin’io hopitaly io. Vonona hatrany ny hitondra fanampiana ara-pahasalamana ho an’i Madagasikara ny toeram-pitsaboana.

Fampivoarana fiaraha-miasa eto Madagasikara

Fandraisana an-tanana mahafa-po sy tolotra fanaraha-maso ny toe-pahasalaman’ny marary aorian’ny fitsaboana no tena mahatonga ireo marary hisafidy io hopitaly lehibe iray any Maurice io, raha ny nambaran’ireo marary vitsivitsy tafaresaka taminay. Nanavaza kosa ny tompon’andraikitra fa ny fampivoarana fiaraha-miasa amin’ireo seha-pahasalamana marolafy eto amintsika no hahafahan’izy ireo manatsara hatrany izay fandraisana marary avy eto Madagasikara izay. Nampahafantatra ireo tolotra irahany miasa amin’ny mpisehatra malagasy ireo ny hopitaly nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny hetsika ara-toekarena FIM (Foire Internationale de Madagascar) notanterahana tamin’ny herinandro lasa teo. Fandraisan’izy ireo anjara faharoa tamin’io hetsika lehibe eto Madagasikara natao hampivondronana ireo mpandraharahana izany.

Araka izany, fantatra fa miara-miasa amin’ny “SOS Médecin Madagascar” ny hopitaly “Royan Green” eo amin’ny lafiny famindrana any Maurice ireo marary mila fitsaboana maika (Evacuation Sanitaire). Toy izany ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny banky Baobab raha toa ka manana olana ara-bola amin’ny fanefana ny saram-pitsaboana ny marary. Izany hoe mampindram-bola iantohana ny fitsaboana io banky io, ary manome fanamorana ny famerenana izany amin’ny alalan’ny fahafaha-mamerina tsikelikely. Tafiditra ao anatin’izany tolotra izany hatramin’ny saran’ny sidina mandroso sy miverina Maurice-Madagasikara.

Nomarihin’ny tompon’andraikitra fa mba ho fanampiana ny fianakaviana manana ny marary dia fomba fiasa ampiharina ao amin’io hopitaly maorisianina io ny fandefasana mialoha ny antontan-taratasim-pitsaboana momba ny marary. Hanaovana fandalinana izany mba hamoahana tombana amin’ny fandaniana. Manomboka avy hatrany ny fandraisana an-tanana ny marary vantany vao manaiky ny fifampiraharahana ny roa tonta, manomboka amin’ny fitsenana eny amin’ny seranam-piaramanidiny, hoy ny fanazavana, mandra-pahatonga ny marary mahatsiaro ho tena salama. Tsy mijanona hatreo anefa fa mbola mitohy hatrany ny fanaraha-maso na efa tafody eto an-toerana aza ny marary. Mifandray tsy tapaka amin’ny dokotera nandray an-tanana azy izy. Raha toa ka mbola misy ny fanafody mila vidiana dia manamora ny fahazoana izany ny hopitaly.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer