Songadim-baovaoSosialy

LOZA ATERAKY NY KODIARAN-DROA : Ny 80% dia vokatry ny tsy fahaiza-miaina

Tato anatin’ny volana vitsy izay dia saika ho isan’andro no ahitana lozam-pifamoivoizana hahafatesana mpitondra kodiaran-droa eto amintsika. Ny mampalaelo dia saika amoizana ain’olona hatrany izy ireny. Nilaza ny teo anivon’ny Minisitera misahana ny fitaterana tamin’ity herinandro ity fa vokatry ny tsy fahaiza-miaina ny 80%-n’ireny loza ireny, ankoatra ny tsy fahatomombanana teknika sy ny mety ho faharatsian’ny lalana.

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Minisitra Valéry Ramonjavelo sy ireo mpiara-miasa aminy.

Tsy misy tsy mikolay amin’ny afitsok’ireo mpitondra kodiaran-droa na moto eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny mpampiasa lalana. Misy ireo miditra amin’ny zotra tsy tokony handehanany, misy ireo mandeha amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra, misy ireo mamo eo ampamiliana, ireo mandeha amin’ny hafainganam-pandeha mihoatra ny tokony ho izy, misy ireo misongona avy any amin’ny ankavanana, ampahany ihany ireo voatanisa ireo raha ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpitondra moto na kodiaran-droa no asian-teny.

Tamin’ity herinandro ity dia nilaza ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Valéry Ramonjavelo, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, fa anisan’ny antony lehibe mahatonga ny olona maty amin’ny lozam-pifamoivoizana, indrindra ny kodiaran-droa, dia ny tsy fahaiza-miaina sy ny fitondran-tena tsy mendrika sy tsy matihanina. 80%-n’ireo loza miseho dia vokatr’ireo voatanisa ireo avokoa. Na izany aza, mety ho olana mekanika koa, na vokatry ny lalana ratsy.

Be loatra ny olona maty

Eo anatrehan’izany, nametraka ny politikam-pirenena momba ny fisorohana ny loza eny andalambe ny Fitondram-panjakana. Eo koa ny drafitrasa sy fananganana komitim-pirenena momba ny fisorohana ny loza eny andalambe, izay eo ambany fitarihan’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, miaraka amin’ny Minisitera voakasika, toy ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Minisitera delege misahana ny zandarimaria, Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro. Notsindrian’ny Minisitry ny Fitaterana fa be loatra ny olona maty amin’ny lozam-pifamoivoizana, izay azo nosorohina, sy azo nialàna.

Amin’izao fotoana moa dia efa fepetra noraisina ny fijerena ny tahan’ny alikaola, eny amin’ny lalan’ny marais masay matetika no hanatanterahana izany. Ankoatra izay dia nanambara ny Minisitry ny Fitaterana fa hirosoana ny fametrahana ho tsy maintsy olona manana “permis” no mitondra kodiaran-roa. “Na iza na iza  mitondra moto dia tsy maintsy mitondra permis, anisany ho arosonay izany. Adidinay no miaro ny vahoaka rehefa tsy mahay miaro tenany izy ireo”, hoy hatrany ny fanazavana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer