Songadim-baovaoToekarena

FANOSEHANA NY SEHATRY NY JONO SY NY FIHARIANA ANATY RANO: Mila famatsiam-bola manomboka amin’ny 300 tapitrisa dolara

Fanamby lehibe atrehina eto Madagasikara ankehitry ny lafiny fampanjarian-tsakafo, ny famoronana asa ary ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro. Lalana iray hahafahana mitondra vahaolana amin’ireo ny fampiroboroboana ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga. Ireo sehatra roa ireo izay miantoka ny 4% hatramin’ny 7% amin’ny harin-karena faoben’i Madagasikara. Tsy azo hiodivirana intsony, araka izany, ary lalana tsy maintsy hizorana ny fampivoarana hatrany ny jono sy ny toekarena manga eto amintsika. Izany indrindra no antony nanatanterahana ny fikahonandoha ho fanetsehana ireo famatsiam-bola sy ireo fiaraha-miombona antoka maharitra ho an’ny jono sy ny fihariana anaty rano eto Madagasikara. Fikahonandoha notanterahana teto Antananarivo nandritra ny roa andro izay nifarana tamin’ny alarobia lasa teo.

Nandray anjara tamin’io fikahonandohana io ny solotena avy amin’ny Fanjakana, ny sehatra tsy miankina, ireo fiarahamonim-pirenena, ireo mpikaroka sy ireo mpiara-miombona antoka marolafy. Asa niraisan’izy rehetra ny fametrahana tondrozotra hahafahana mahazo famatsiam-bola sy fanohanana ny tontolon’ny jono sy ny fihariana anaty rano eto Madagasikara. Fototra hijoroan’io tondrozotra io ny fanentanana ireo mpisehatra rehetra mba hitodika amin’ny jono sy ny fiompiana anaty rano sy hanohana hatrany ireo sehatra ireo. Ho fanatanterahana izany dia tsy maintsy tadiavina ny famatsiam-bola hahafahana mampihatra ireo paikady voafaritra anatin’ireo drafitra efa hananan’i Madagasikara.
Araka ny fanazavana nentin’i Rado Rakotosoa izay tale jeneralin’ny toekarena manga eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia tombanana ho manomboka amin’ny 300 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ilaina entina hanosehana ny sehatry ny jono sy ny fihariana anaty rano eto Madagasikara. Hahafahana manatratra io tanjona nofaritana io dia misy ny famatsiam-bola avy amin’ny Fanjakana. Tsapa anefa ankehitriny fa tokony hakarina izany mba hahafahana tena mampiroborobo kokoa ny lafiny jono. Misy ihany koa ny famatsiam-bola avy amin’ireo sehatra tsy miankina izay manana tombony amin’ny fampivoarana ny sehatra. Farany ny fanantenana famatsiam-bola avy amin’ireo mpandraharaha mpampiasa vola eo amin’ny tontolon’ny jono.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer