PolitikaSongadim-baovao
FETIM-PIRENENA 26 JONA : Fampiakaran-tsaina iombonana ny fanombohan’ny fankalazana ofisialy
Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny Komitim-pirenena Mpandrindra ny Fankalazana ny 26 jona 2025 na ny « KPMF », omaly maraina, tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, tao Ampahibe, teo ambany fitarihan’ny Jly Rakotondrabary Eric, filohan’ny Komitim-pirenena Mpandrindra ny Fankalazana ny 26 jona. Niompana tamin’ny fizarana ireo fandaharam-potoana rehetra sy ny fanazavana ireo hetsika maro samihafa entina hankalazana ny fetim-pirenena ny lahadinika, indrindra ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana. Hatomboka amin’ny alalan’ny fampiakaran-tsaina iombonana, sy ny firedonana ny hiram-pirenena, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny alatsinainy 2 jona 2025 ho avy izao amin’ny 9 ora maraina, izany fankalazana izany, izay hotarihan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Hanasana ny fanatrehan’ny olom-pirenena rehetra, araka izany ny fotoana. Araka ny fandaminana napetraky ny Komitim-pirenena Mpandrindra ny Fankalazana ny 26 jona 2025, izay mirafitra amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, dia miaraka manangana ny Fanevam-pirenena ny Malagasy manerana ny Nosy. Mifanindran-dalana amin’izany koa ny fanaingoana ny lalana, ny Tranom-panjakana, ny Fokontany, ny Tsena, sy ny Tanàna, ho fanomezan-kasina ny Tanindrazana sy hametrahana ho ambony toerana ny fiandrianam-pirenena. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny Komity mpikarakara, dia manomboka ny 2 jona 2025 ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy ny 2 jolay 2025. Mandritra izany, hisy ny hetsika ara-panatanjahantena, izay hanatanterahana ny « match de gala », ny diabe hotontosain’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, ny hetsika ara-kolotoraly, izay ahitana « carnaval » lehibe hanehoana ny kolontsaina ao amin’ireo Faritra 24. Toy ny fanao isan-taona, hisy hatrany ny kermesy tanterahin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, ny « Podium » manerana ny Nosy, ny matso lehibe ataon’ireo tandroka aron’ny vozona, ary ny fotoam-pivavahana Silamo, Advantista, ary ny FFKM.
Pierre M.



