SamihafaSongadim-baovaoSosialy

AKADEMIAM-PIRENENA HO AN’NY ZAVAKANTO SY KOLONTSAINA (ANAC): Ho vita amin’ny Janoary 2021

Ny volana novambra 2019 no napetraka ny vato fototry ny Akademiam-Pirenena ho an’ny Zava-Kanto sy ny Kolontsaina na ny ANAC, etsy amin’ny Ambohitsorohitra ambany manamorona ny farihin’Anosy. Niroso hatrany ny asa na teo aza ny Hamehana. Saingy nisy fahatarany kosa anefa, noho ireo fepetra maro samihafa tsy maintsy najaina. Teo koa ny zavanisy teo amin’ny orinasa nanao ny asa. Eo anatrehan’izany, tombanana ho amin’ny volana Janoary 2021 no ho vita tanteraka ny asa rehetra.

Manodidina ny 60 hatramin’ny 90 % amin’izao fotoana izao ny asa vita ho an’ny asa goavana na ireo “Gros oeuvres” momba ny asa fananganana ny Akademiam-Pirenena ho an’ny Zava-Kanto sy ny Kolontsaina na ny ANAC, raha ny tombana nentin’ny Orinasa nahazo ny tsenam-baro-panjakana, misahana ny asa rehetra. Mizara efatra mazava tsara ny asa atao, izay ho hita ao anatin’ity fotodrafitrasa ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fananganana ny efitrano fanaovana fampisehoana mahazaka olona mipetraka 800, izay efa ny 60%-n’ny asa no vita. Eo koa ny efitra fanaovana fampirantina toy ny sary hosodoko, sary sokitra, ireo karazana zava-kanto, izay vita hatramin’ny 80%. Etsy ankilany ireo trano natokana ho an’ny karazana birao sy toeram-pampianarana samihafa, izay efa tontosa hatramin’ny 90%. Tsara ho fantatra fa taranja sivy no efa voafaritra fa hampianarina eto amin’ity toerana ity. Tafiditra ao anatin’izany ny Kanton’ny hita, Kantom-pitenenana, Kanton’ny sehatra, Kanton’ny haino aman-jery, Kanton’ny sarimihetsika, Kanton’ny Mozika sy ny hira, Fiahiana vakoka ara-kolontsaina, Fanofanana amin’ny lalao malagasy. Ary ny farany kosa ny fanatsarana ny endrika ivelany sy ny manodidina ny trano iray manontolo, izay hokitihana rehefa vita ny asa vaventy rehetra. Mizotra miandalana ny asa rehetra hoy ny Minisitra, ary ezahina ny hanenjika ny fahatarana amin’ny fanamboarana sy ny famitana tanteraka ny fananganana, vokatry ny valanaretina Covid-19. Raha tsiahivina, ny 15 Novambra 2019 no nametrahana ny vato fototra voalohan’ny ANAC, ary notombanana ho vita ny asa rehetra tamin’ity volana Septambra 2020 ity. Noho ny zava-nisy teto amin’ny firenena anefa, vinavinain’ny orinasa miandraikitra ny fanamboarana ho vita tanteraka ny asa rehetra ny faran’ny volana Janoary 2021.

Efa ao amin’ny antanantohatry ny minisitera

Efa manomana ny rijan-teny mahakasika ity rafitra ity izao ny eo anivon’ny Minisitera. Rijan-teny izay hametrahana araka ny lalàna ny rafitra hisy ao anatin’ny ANAC. Efa mandinika izany ireo teknisianina. Ary hampandalovina amin’ireo ambaratonga isan-tsokajiny, dia ny Filankevitry ny minisitra sy ny Filankevitry ny Governemanta. Ny ANAC izay efa mitsangana ara-dalàna ao anatin’ny antanantohatry ny minisitera nanomboka tamin’ity taona 2020 ity. Tombanana ho any amin’ny telo volana voalohan’ny taona 2021 no hanomboka hiasa sy hihodina araka ny tokony izy ity ivon-toerana ity. Marihina fa ity fotodrafitrasa ity, dia nifanojo soa aman-tsara tamin’ny vina napetraky ny Filoha Rajoelina Andry sy ny Minisitera tompon’andraikitra amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny Kolontsaina marolafy. Omaly, nanatanteraka fidinana ifotony, hijerena ny fizotry ny asa fananganana ny Akademia Nasionalin’ny Haikanto sy ny Kolontsaina na ny ANAC etsy Ambohitsorohitra ambany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo.

Tags
Fermer