
PolitikaSongadim-baovao
FILOHAM-PIRENENA SLOVENIE : Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara
Araka ny fampitam-baovao azo, dia hanatontosa fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara, ny talata 3 jona 2025, ho avy izao ny Filoham-pirenen’i Slovénie, Natasa Pirc Musar. Manamarika tantara goavana eo amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta io satria manasongadina fifanaraham-piarahamiasa marolafy. Hisy, araka izany, fihaonan’ny Filoha roa tonta hotontosaina eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, dia ny filoham-pirenen’i Slovénie sy ny filoham-pirenena malagasy. Ankoatra izay, tombanana fa hisy ny fifanaraham-piaraha-miasa hosoniavina mandritra io fanatontosana fitsidihana ara-panjakana, tanterahin’ny filohan’i Slovénie hatao eto Madagasikara io. Heverina, araka izany, fa ny finiavana fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta, ny fisiana fitsidihana ara-panjakana tanterahin’ny filohan’i Slovenie eto amintsika izao, dia hitondra ainga vao eo amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Tombanana fa izao fihaonana izao koa, dia hijerena manokana ny soa iarahan’ny tany roa tonta. I Madagasikara rahateo mangataka ny fanohanan’ny governemanta sloveniana, ny amin’ny fiaraha-misalahy ny amin’ireo fandaharanasa mitondra mankany amin’ny fampandrosoana.
Ankoatra izay, ho voajery eo koa ny fiaraha-miasa ara-politikan’ny firenena roa tonta, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny eo anivon’ny tany roa tonta. Tiana ny manamarika, fa vehivavy ny filoha sloveniana ity, izay nitondra io firenena io, nanomboka ny desambra 2022. Talohan’ny naha filoham-pirenena azy, dia efa nisahana ny andraikitry ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny tany aminy ity filoham-pirenena sloveniana ity.
Pierre M.




