Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

ANOSIBE: Mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo Jiolahy telo maty voatifitra

Mpitandro filaminana iray no isan’ireo telo lahy lavon’ny Polisin’ny SAG teny Anosibe farany teo. Ireto farany izay voalaza, fa teo am-pikasana hanao fanafihana mitam-piadiana no nifanehitra tamin’ny Polisy. Lavo nandritra ny fifampitifirana izy ireo…

Mitombo hatrany ny isan’ny jiolahy tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony, raha ny vokatra azon’ny Polisim-pirenena. Ny eo anivon’ity vondron-kery iray ity dia miezaka hatrany amin’ny famongorana ireo olon-dratsy mampihorohoro sy mijoro ho fahavalom-piarahamonina amina asa ratsy isan-karazany fanaony. Telo lahy indray no lavon’ny balan’ny Polisin’ny “Service Anti-Gang” (SAG), teny Anosibe, ny harivan’ny zoma 30 Mey lasa teo. Iray amin’ireo no fantatra fa mpitandro filaminana. Raha ny zava-misy nitranga teny Anosibe io hariva io, dia an-keviny efa nandrasan’ny Polisy ireto olon-dratsy ka raikitra avy hatrany ny fifampitifirana vantany vao nifanehitra ny roa tonta. Basy efa nipoaka araka izany, no nanaitra ny manodidina sy ny mpandalo. Basy miisa roa miampy bala no mbola tratra teny amin’izy ireo. Azo eritreretina araka izany, fa teo am-pikasana hanao fanafihana mitam-piadiana ireto farany, no izao nifanehitra tamin’ny Polisy izao. Voalazan’ny loharanom-baovao iray fa efa kalazalahy amina karazana asa ratsy ity voalaza fa mpitandro filaminana ity. Anisan’izany ny varotra fiara sy kodiaran-droa halatra, aferana basy, fisolokiana sy fivadiham-pitokisana.

S.R

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer