Songadim-baovaoToekarena
VIDIN-TSOLIKA: Nihena 70Ar ny litatry ny gazoala, niakatra 10 Ar ho an’ny lasantsy
Ny faran’ny herinandro teo no nivoaka ny sarany vaovao amin’ny litatran’ny solika eto amintsika manomboka amin’ity volana ity. Araka ny angom-baovao, dia nihena 70 ariary, ka lasa 5100, ny Gazoala. Nahitana fiakarany 10Ariary kosa ny lasantsy, ka lasa 5520. Etsy ankilany, 200Ar ny fiakaran’ny litatran’ny solitany, ka manome 3 430 Ar.
Raha tsiahivina, niainga tamin’ny fifampiresahana tamin’ny tahirim-bola iraisampirenena (FMI) no nahatonga an’i Madagasikara niroso tamin’izao fikitihana ny vidin-tsolika. Ho an’ny eo anivon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI dia mifantoka kokoa, amin’ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy na ny « Vérité de prix » izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny fepetra notakin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) rahateo, ao anatin’ny fanomezana ny FEC na ny « Facilité Elargie de Crédit » sy ny FRD na ny « Facilité pour la résilience et la durabilité » izany. Tiana ny manamarika fa ny haitariky ny Filoha Andry Rajoelina, dia mifantoka kokoa amin’ny fijerena ny tombontsoan’ny vahoaka maro anisa. Fanamafisana ny andraikitry ny mpitantana sy fijerena lavitra ataon’ny Filoham-pirenena, izao ezaka amin’ny fikitihana ny vidin-tsolika izao. Na dia niezaka ny handresy lahatra momba ny fampiharana ny vidin’ny solika tena izy aza, ny eo anivon’ny Tahirim-bola iraisampirenena, ny taona 2024, dia tsy nanaiky lembenana ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, momba izay tolo-kevitry ny FMI izay, fa niezaka hatrany nampihatra ny « Politikam-pitazonana » ny vidin-tsolika, satria mbola nandalo fotoan-tsarotra.



