KolontsainaSongadim-baovao

« HAMAKY BOKY AHO AN-TSEHATRA »: Fahombiazana ny hetsika andiany voalohany ny sabotsy teo

Samy niaiky, na ireo mpandray anjara na ireo olona tonga nitsidika, fa zava-dehibe ny hetsika “Hamaky Boky aho an-tsehatra” nokarakarain’ny “Free Events” ny sabotsy teo, tetsy amin’ny ISCAM Ankadifotsy. Fotoana izay nahatongan’ireo mpitia boky nihanoka tanteraka tao amin’ny tontolon’ny boky. Tamin’ny ankapobeny dia nahafinaritra ny fiarahana, nazoto nandray anjara mavitrika tamin’ny fizarana an-tsehatra ny mpanatrika. Nisy koa fitantarana angano ho an’ny ankizy, nisy ny sehatra natao hamakiana boky, nisy ny fivarotana boky nataon’ireo “librairies”, nisy ny fandraisana anjara fifanakalozana teo amin’ny samy olon-tsotra mpanatrika, nisy ny fampianarana hanoratra (atelier d’écriture) sy ny sisa.

Tratra ny tanjona, ary azo ambara fa fahombiazana iny hetsika andiany voalohany iny. Ny vidim-pidirana rahateo natao tena nirary, satria araka ny nambaran’ny mpikarakara ombieny ombieny dia tsy fitadiavam-bola loatra no tanjona, fa fanomezana sehatra ny tontolon’ny boky mihitsy.

Nitondra teny fankasitrahana manokana moa ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona Free Communication, sady mpamokatra ny fandaharana “Hamaky Boky aho” ihany koa, Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, ho an’ny ISCAM Ankadifotsy, Bibliothèque municipale (CUA), Alliance Française Andavamamba, ALM (Association des Libraires de Madagascar) sy ireo librairies nandray anjara, Havatsa UPEM sy ireo mpikambana ao aminy nandray anjara, Faribolana Sandratra sy ireo mpikambana ao aminy nandray anjara, ary ireo olon-tsotra nandray anjara tamin’ny fifampizarana vaky boky sy ireo tonga nanatrika rehetra.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer