Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

DISADISAM-PIANAKAVIANA : Novonoin’ilay lehilahy ho faty ny rahalahiny sy ny zana-drahalahiny roa

Telo mianaka no fantatra fa indray maty nisy namono afakomaly, tao amin’ny fokontany  Mahambolona,  Kaominina Antsatramidola, distrikan’i Mandritsara. Araka ny vaovao azo tamin’ireo fianakavian’ny maty, dia tsy iza ny olona nahavanon-doza fa ny iray tampo amin’ilay rangahy maty ihany, izay antsoina hoe R. J. C fantatry ny maro amin’ny solonanarana hoe i Gagno. Ny antony namonoany azy telo mianaka ireo, dia avy amin’ny disadisam-pianakaviana teo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, satria efa nisaraka ny ray aman-drenin’izy ireo, ka misy ny homba ny reniny dia misy koa ny momba ny rainy. 30 taona ilay rahalahiny novonoina io, raha 6 taona sy 4 taona kosa, ireo ankizy tsy manan-tsiny  natao vono moka. Lasa nandositra ilay tsivalahara, tao aorian’ny asa ratsy nataony. Fantatra fa nofiraina tamin’ny antsy ireo telo mianaka ireo. Raha ny resaka mandeha, dia ady lova no anton’izao vono olona natao izao.

Araka izany, karohina fatratra sy hatao hazalambo ilay nahavanon-doza. Samy tonga teny an-toerana nisehoan’ilay famonoana, moa ny mpitandro filaminana, na ny avy amin’ny Polisim-pirenena na ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena nizaha ny zava-nisy niseho marina. Efa natolotra ny havany moa ny razana, taorian’ny fizahana. Mba hisorohana ny savorovoro teny an-toerana, zandary roa sy polisy efatra no nandrindra ny filaminana teny an-toerana. Ny Polisim-pirenena no misahana ny famotorana satria efa misy dosie mahakasika an’io vono olona io,  any amin’izy ireo raha ny fanadihadiana. Na izany aza, hiara-kisalahy amin’ny fanenjehana ilay olon-dratsy ny avy any amin’ny zandarimariam-pirenena, indrindra iny amin’ny Faritra Sofia iny.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer