PolitikaSongadim-baovao
FANAMPARAM-PAHEFANA : Depiote iray manao fanorenan-trano tsy ara-dalàna ao Mahajanga
Miverina mipoitra indray ny fanamparam-pahefana tanterahina olom-boafidy sasantsasany ! Ao amin’ny an-drenivohitr’i Boeny, Mahajanga ao, misy solombavambahoaka iray manao fanorenana tsy ara-dalàna. Araka ny fanadihadiana, fanorenana trano R+1 no voalaza fa nangatahiny, saingy mihoatra amin’izay ny trano natsangany. Fanamparam-pahefana tsotra izao no fandraisan’ireo olona voakasika ity toe-draharaha ity. Voalaza fa efa maro ireo fampiatoana natao sy nampahafantarina azy, natao teo anivon’ny Kaominina, saingy manao bao tsy mivily ary tsy nanaraka izany ity solombavambahoaka ity. Mihevitra ny tenany ho ambony lalàna ity depiote ity, nefa tokony ho fitaratra amin’ny fanajana lalàna. Fantatra fa depiote avy amin’ny mahaleo tena izy io, saingy nanao adisisika hanara-dia ny Fitondram-panjakana, dia izao manome endrika ratsy amina endrika fanamparam-pahefana, amina fananganana trano tsy ara-dalàna izao.
Ankoatra izay, fantatra koa, fa ity solombavambahoaka tsy miankina ity, dia miezaka mampiasa ny anarany, ka mikendry ny hanala ny Lehiben’ny distrikan’i Mahajanga II, izay voalaza fa mahatonga azy io mivoy fanaratsiana ireo minisitra roa ao anaty governemanta, izay avy any amin’iny Faritra iny. Tamin’ny fanadihadiana natao, tsy nisy lany ireo kandida natolotr’io solombavambahoaka io, tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo, tao amin’io distrika io, ka nahasosotra azy sy mitady izao endrika fanakorontanana samihafa izao. Tsy tahotra tsy henatra izy, nangataka teny anivon’ny Atitany, mba hanesorana ilay lehiben’ny distrika, saingy nitsipaka izany ireo minisitra roa voatonona, izay minisitra miahy ny faritanin’i Mahajanga. Ireto farany, izay fantatra fa tsy nanaiky velively ny hanilihana ny olona miasa, sy manampy amin’ny fikatsahana ny fampandrosoana any an-toerana, ka tsy hanaovana tsindry aloka etsy sy eroa.
Ny Fanoratana



