PolitikaSongadim-baovao

FAHA-65 TAONA FAHALEOVANTENA : « Tsy ho tratra ny fandrosoana raha tsy misy fitiavan-tanindrazana »

Notontosaina tamim-pomba manetriketrika teny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny lanonam-panokafana ofisialy ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny faha-65 taona niorenan’ny Foloalindahy Malagasy, omaly  maraina. Nanatrika ny fotoana teny amin’ny « parvis Hotel de Ville » Analakely ny Filoham-pirenena sady Filoha faratampon’ny Foloalindahy malagasy, Andry Rajoelina. Raha nandray fitenenana ny Filoham-pirenena, sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy dia nanamafy fa “eto amin’ny Araben’ny Fahaleovantena manoloana ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo no anehoantsika ny fankalazana sy ny fanomezam-boninahitra ny tantara.” Tsiahivina fa 65 taona lasa izay, nitsangana tamim-pireharehana ny faneva malagasy, ary niara-nanao velirano ny vahoaka fa “hitia sy hanompo an’i Madagasikara amin’ny fo sy saina”, hoy izy. Nampahatsiahy ny Filoham-pirenena fa ao anatin’ny fanamarihana amin’ity taona ity no nifidianana lohahevitra hoe « Ny Fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana. » Io lohahevitra io, hoy izy, “teny mifono hevi-dalina, fanehoana ny fototry ny soatoavina, ny soa iombonana ary indrindra ny fototry ny fanantenana.” Teny mifandraika rahateo amin’ny hoe « Fitiavana, Tanindrazana, Fandrosoana », izay teny filamatry ny Repoblika fahefatra. Nampitandrina ihany koa ny Filoham-pirenena, fa tsy ho tratra ny fandrosoana, raha tsy misy fitiavan-tanindrazana, izay mitarika asa sy fandavantena. “Raha tsy ny fitiavana no mibaiko ny asa, dia tsy ho tratra ny tanjona. Ary raha tsy ny tanindrazana no laharam-pahamehana, dia tsy hisy ny fivoarana.”, araka ny nampitainy tao anatiny kabariny.

Fiaraha-misalahy ho an’ny fandrosoana…

Nampirisika ny rehetra amin’ny fiaraha-mientana sy ny firaisan-kina izy, satria “raha mibanjina fandrosoana isika, dia tsy maintsy miara-misalahy”, hoy izy hentitra. Nanentana hatrany  ny olom-pirenena manerana an’i Madagasikara ny tenany, mba haneho ny fitiavan-tanindrazana, amin’ny alalan’ny fananganana ny sainam-pirenena eny amin’ny trano, sekoly, birao ary toeram-piasana rehetra. « Marolafy ny asa azo hanehoana ny fitiavan-tanindrazana », hoy kosa ny minisitry ny Foloalindahy Jeneraly Lala Sahivelo Monja Delphin. Izy dia niantso fiaraha-mientana « fa hazavana lehibe no miposaka any amin’ny dian-tananàntsika rehetra raha tanteraka izany. Ka hanentanana antsika Malagasy rehetra haneho ny fitiavan-tanindrazana amin’ny tontolo misy antsika tsirairay avy ». Araka ny nampitainy, dia tsy zara hetra ny fitiavan-tanindrazana fa tambim-pitia; tsy haingitraingitra ny fanandratana ny firenena fa zo sy andraikitra, fifanampiana fampivondronana ao anaty fihavanana feno fifanajana »…

Raha hiverenana, dia nizara telo ny lanonana notanterahina omaly. Nanomboka tamin’ny fananganana sainam-pirenena, nitohy tamin’ny fijerena horonantsary mirakitra sy mamintina ny tantaram-pirenena. Tao aorian’izay, nandalo teo anoloan’ny mpanotrona ny sainampirenena malagasy lehibe, nentin’ny taranak’Andrianome Ranaivoson, namorona ny sainam-pirenena, ny sary famantarana sy ny tara-kevitra hoenti-mankalaza izao faha 65 taona ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy malagasy. Ny tapany fahatelo farany, dia ireo hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto, izay hoentina hanamarihana ny andro omaly. Tiana ny manamarika fa isan’ireo nanotron ny fotoana omaly, ny  filohan’ny Antenimierandoholona, Loholona sy solombavambahoaka maro, ny Praiminisitra, minisitra maro, ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny Governoran’ny Faritra Analamanga, Ben’ny Tanànan’Antananarivo, ny Prefe, manamboninahitra ambony sy lefitra eo anivon’ny Foloalindahy sy ny Polisim-pirenena.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer