Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
NITSOAKA HOFANA HOTELY TAO MORONDAVA : Voasakana ireo fiara nitondra teratany sinoa miisa enina
Tsy afa-bela fa voasakana ireo teratany vahiny nitsoaka hofana hotely tany Morondava ! Araka ny angom-baovao, omaly tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro, nahazo antso avy amin’ny Komandin’ny vondron-tobim-pileovana Menabe ny Komandin’ny Tobim-paritra Malaimbandy fa misy fiara 4×4 roa, izay mitondra teratany vahiny, raha ny maria kokoa, dia teratany sinoa avy any Morondava izy ireo. Raha ny fanadihadiana, nanofa toeram-pandraisam-bahiny izy ireo, ka tsy nandoa ny hofan’io hotely io. Fantatra fa 4×4 marika « hyundai terracan » sy 4×4 « rextone » no mitondra azy ireo. Raha vao nahazo io antso io ny Komandin’ny Tobim-paritra, dia niantso avy hatrany ireo zandary manao sakana eny amin’ny lalana. Rehefa natao ny fanarahan-dia sy ny fanarahana ary ny fanakanana, dia sarona teo amin’ny sampanan’i Malaimbandy izy ireo, izay tsy afa-bela, fa voasakana tokoa, ireo fiara nitondra ireo Sinoa nitsoaka. Rehefa natao ny fisavana, dia voamarina fa ireo teratany sinoa miisa enina no tao anatin’ireo fiara. Naverina nankany Morondava avy hatrany moa ireo fiara mitondra azy ireo, ary nisy zandary roa lahy niasa teo amin’ny Tobim-paritra no mitondra azy ireo niverina nankany Morondava, omaly tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Andrasana, araka izany, ny tena antony nahatonga azy ireo nitsoaka volan’ilay hotely na tsy te handoa tsotra izao.
Pierre M.




