Songadim-baovaoToekarena

TETIKASA “FIHARIANA”: Mitohy amin’ny fanohanana ireo tanora manana tetikasa

Miisa 87 000 ireo efa nisitraka tombontsoa tamin’ny tetikasa “Fihariana” hatramin’ny namorona azy ny taona 2019. Ny Fihariana moa dia fandaharanasa nasionaly natao hanohanana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Vola hatramin’ny 199 miliara ariary no efa nahetsika namatsiana ireo tetikasa maro isan-karazany, tao anatin’izany taona maromaro izay, araka ny fanadihadiana. Mbola manohy io fanohanana ny tanora manana tetikasa io ny “Fihariana” amin’izao fotoana.

Ny volana mey 2025 teo, ny ekipan’ny Fihariana ao amin’ny Faritra SAVA dia nanao hetsika manokana ho an’ireo Distrika efatra mandrafitra ny faritra. Tanjona ny hampiroboroboana ny fandraharahana  amin’ny alalan’ny fihainoana ireo mpandraharaha any ifotony,  ny fanampiana azy ireo amin’ny fametrahana antontan-taratasy fangatahana famatsiam-bola, ary ny fanolorana azy ireo tolotra misy eo anivon‘ny Fihariana. Nandritra ny hetsika nataony ny 20 hatramin’ny 24 mey teo dia nisy ny famelabelaran-kevitra sy fikaonan-doha niarahana tamin’ireo tanora manana tetikasa, ary koa fandraisana ireo antontan-taratasy fangatahana famatsiambola eo anivon’ny Fihariana.  Ankoatra izay, tanora mpandraharaha sy manana tetikasa miisa 71 tao Ambositra no nisitraka ny hetsika nokarakarain’ny Tetikasa Fihariana. Ny 22 sy 23 Mey teo dia nahazo fampiofanana mahakasika ny Kolontsain’ny fandraharahana ireo tanora ireo, teo koa ny resaka fitantanana ara-bola. Ampahany ihany moa ireo voalaza ireo fa mitohy any amin’ny faritra maro ny fampahafantarana ireo tolotra, sy fampirisihana ireo tanora amin’ny tontolon’ny fandraharahana ataon’ny avy eo anivon’ny Tetikasa Fihariana.

Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer