Fanadihadiana Manokana

Tsy fisitrahana rano madio sy fidiovana: 11%-n’ny olona an-tanàn-dehibe no mbola manana olana

11%-n’ny olona an-tanàn-dehibe no tsy manana fahafahana mahazo rano sy fidiovana. Misy ny tetikasa anefa, vahaolana entina miatrika izany. Olona 100.000 no nahazo tombontsoa amin’ny tetikasan’ny governemanta malagasy iarahany amin’ny Unicef amin’ny fahazoana rano madio, fidiovana sy fanadiovana eto Antananarivo sy Toamasina, ao anatin’ny ady amin’ny Covid-19 ihany.

11%-n’ny olona tsy manana fahafahana mahazo rano, sy toeram-pidiovana an-tanàn-dehibe, araka ny fanadihadiana avy amin’ny Unicef. Araka ny fanadihadiana nataon’ny WaterAid ihany koa, mbola olana eto amintsika ny momba ny rano satria 57%-n’ny mponina, izany hoe efa ny antsasa-manila no tsy afaka misitraka rano fisotro madio. Ny 40%-n’ny mponina no voatery manao maloto ankalamanjàna amin’izany tsy fahafahana misitraka fidiovana izany. Tsy manana fitaovana ahafahana manasa tànana amin’ny rano sy savony ny 77%-n’ny Malagasy. Maherin’ny 90%-n’ireo tobim-pahasalamana no tsy manana fitaovana entina hidiovana ary koa sekoly maro no tsy misy rano fisotro madio no tsy manana toerana hanasana tànana.

Ny toe-javatra tahaka izao no anton’ny tetikasa iarahan’ny Minisitera sy ny Unicef ary ry zareo Norvezianina. Mazava ho azy fa hampihena ireo antontanisa nambaran’ny « WaterAid » ireo izao, na amin’ny ampahany ihany aza, kanefa hiitatra amin’ny Faritra hafa  koa.

Olona 100.000 noho izany no nahazo tapakila na solom-bidin-drano ka ny 80%-n’ireo eto Antananarivo ary 20% any Toamasina, hahafahany mahazo rano madio. Maneho ireo isa ireo fa ny 11%-n’ny mponina an-tanàn-dehibe no tsy mahazo rano madio, raha raisina amin’ireo renivohitra roa ireo.  Nanolotra fanampiana mitentina 1,1 tapitrisa dolara ny governemanta norvezianina. Manampy izany ny tolo-tanana avy amin’ny Unicef sy ny Agence Danoise pour le développement international (DANIDA).

Vokatr’io famantsiam-bola io, olona 100.000 avy amin’ny tokantrano 20.000 no nisitraka izany tamin’ireo tanàn-dehibe roa, Antananarivo sy Toamasina. Ny tsy fahampian’ny rano madio dia misy fiantraikany eo amin’ny fahadiovana ka mety hiteraka voka-dratsy eo amin’ny fahasalamana, indindra ao an-tokantrano, izay misy vokany amin’ny sakafon-jaza. «Antin’izao hamehana izao, ny minisitera dia manamafy hatrany ny maha zava-dehibe ny fahazoana rano madio ho an’ny rehetra. Manome tanana hatrany ireo mpiara-miombona antoka miasa ao anatin’ny fanomezana rano madio ny minisitera, ary amin’ireo toerana tokony hahazo izany, na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra ahitana ny mety hiparitahan’ny Covid-19. Manana andraikitra koa amin’ny fanentanana ny olona amin’ny fanajana ny fepetra rehetra mifandraika amin’ny fahadiovana, indrindra ny fanasana tanana amin’ny savony, ny fampiasana toeram-pidiovana ho an’ireo olona nisitraka eto Antananarivo sy Toamasina mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina », hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, Rakotovelomanatsoa Voahary.

rano
Toy izao ireo fitaovana azo avy amin’ny Unicef sy ny Norvezianina.

Vahaolana ao anatin’ny 12 volana

Araka izany, ny tetikasa iarahana amin’ny mpiara-miombona antoka toy izao izay voafetra ihany, saingy zava-dehibe. Any amin’ireo toerana tsy ahitana paompy izao, hisy kamiao « citerne » roa sy daban-drano lehibe 5m3 no hamatsy rano ny mponina, izay ny Jirama no miandraikitra izany. Olona eo amin’ny 10.000 eo no isitraka izany. Hisy koa anefa ny fanamboarana fotodrafitrasa ho an’ny rano eto Antananarivo mba hanamorana ny fahazoan’ny olona eo amin’ny 5.000 rano.

Sekoly dimy, foibem-pahasalamana dimy ary tsena dimy no ametrahana toeram-pidiovana ekolojika, mba hahafahan’ny rehetra miaina anaty fahasalamana. Toy izany koa ho ana tokantrano miisa 312, hahazo io toeram-pidiovana ekolojika io. Hisy  koa ny fanohanana ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Samva amin’ny fanangonana ny fako sy ny fikarakarana izany.

«Ny fahazoan’ny mponina ny rano madio, ny toeram-pidiovana, ny fidiovana amin’ny alalan’ny savony dia tsy nosokajiana ho aingitra. Ny fiaraha-miasa sy ny fanampiana ny governemanta malagasy dia zava-dehibe hatrany, indrindra amin’izao fotoan’ny fiparitahan’ny tsimokaretina Coronavirus izao. Ny Unicef dia manohy hatrany ny ezaka amin’ny fiarovana ny ankizy sy ny fianakaviany mba hisitraka izay tolotra tokony ho an’ny rehetra », hoy ny solontena maharitry ny Unicef eto Madagasikara, Michel Saint-Lot.

Haharitra 12 volana ny fanatanterahana ny tetikasa, izay handraisan’ny mponina ifotony anjara, eo ihany koa ny sehatra tsy miankina sy ny tanora. «Tafiditra anatin’ny politikan’i Norvège ny fanampiana ara-pahasalamana. Manantena izahay fa hisy fiantraikany amin’ny ady atao amin’ny fiatrehan’ny mponina ny Covid-19 izao », hoy ny lehiben’ny ambasady Norvège eto Madagasikara, Andreas Danevad.

rano
Ilaina ny fanasana tanana amin’ny fidiovana.

FAMATSIANA RANO FISOTRO MADIO:: Mametraka vahaolana maharitra ny Fanjakana

Isan’ireo nitondra famelabelaran-kevitra narahina adihevitra teny anivon’ny Antenimierandoholona ny volana jona lasa teo, ny avy amin’ny “WaterAid”  Fiarahamonim-pirenena misahana  ny rano, izay vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola. Nandritra ny famelabelarana, nohazavain’ny tomponandraikitra ao amin’ny « WaterAid » fa ny 95%-n’ny Malagasy no manana olana amin’ny fisitrahana rano ho fidiovana sy fanadiovana. Vahaolana iray ahafaha-miady amin’ny fihanahan’ny valanaretina covid-19 ny fanasana tanana, amin’ny rano sy savony. Nambaran’ny Dr Randriamananjara Odile Michèle, Tale eo anivon’ny WaterAid, fa ny 77%-n’ny Malagasy dia tsy manana fitaovana ahafaha-manasa tanana amin’ny rano sy savony. Mbola maro ny sekoly no tsy misy rano fisotro madio, sady tsy manana toerana hanasana tanana. Nambaran’ny avy eo amin’ny « WaterAid » fa ny 16 tapitrisa amin’ny vahoaka malagasy no tsy mbola manana rano fisotro madio, raha 20 tapitrisa no tsy manana toerana fanasana tanana, raha ny fanampim-panazavana. Mahakasika ny famatsiana rano fisotro madio, efa madiva ho vita, ohatra, ny asa vaventin’ilay tobim-pamokaran-drano vaovao any Manjakandriana. Tombanana ho any amin’ny faran’ny volana  septambra ity no hanomboka hiasa ilay tobim-pamokaran-drano vaovao.

Vahaolana avy amin’ny Fanjakana foibe

Tetikasa iarahan’ny Jirama sy ny « WaterAid » miara-manatontosa no tanterahina any Manjakandriana. Mponina manodidina ny 15 000 amin’ny fokontany valo ao an-toerana no hisitraka izany. Isan’izany fokontany Ambohimiadana, Ampiadianombalahy, Anosimanarivo, Fiadanana, Manankasikely,  Manjakandriana, Marinjara ary Volavy. Fanamby napetraky ny Filoha Andry Rajoelina  moa, ny famatsiana rano fisotro madio ho an’ny vahoakan’i Manjakandriana. Hamokatra rano 1200 m3 isan’andro ity tobim-pamokaran-drano ity. Maro ireo fotodrafitrasa aorina miaraka amin’izany, toy ny toby fisintonan-drano miisa roa, toby fanadiovan-drano 50m3 isan’ora, siniben-drano 400m3, tambajotra mpitsinjara rano 12,5 km ary fampidiran-drano ho an’ny tokantrano 205.

Ankoatra izay, mitohy hatrany ny fanatsarana ny famatsian-drano ho an’Antananarivo sy ny manodidina. Vahaolana maharitra no apetraky ny Fitondram-panjakana, mba hahafahan’ny vahoaka misitraka rano fisotro madio. Ankoatra ny fanatsarana sy fanoloana ireo fantsona rehetra mamatsy rano ho an’Antananarivo,  izay efa antitra, satria tany amin’ny taona 1958 no nisy fanamboarana farany. Napetraky ny Fanjakana ny hamahana ny olan’ny tsy fahampian-drano, ary nampiasaina fitaovana manaraka ny teknolojia vaovao nafarana avy any Israely izany. Ankoatra izay, noraisin’ny Jirama an-tanana koa ny asa fanamboarana ilay toby famokarana rano etsy Amoronakona. Azo antoka fa mialoha ny faran’ny taona, hiverina amin’ny laoniny tanteraka ny famatsian-drano ho an’Antananarivo, Faritra Atsinanana, toy ny ao Ambohimangakely, Ambohimahitsy, Ambatomaro, Behitsy. Hamokatra rano fisotro madio mahatratra 2400 m3 isan’andro ny iray amin’ ireo. Heverina, araka izany, ny hamokarana rano 24000 m3 isan’andro ho fanampin’ilay tetikasa fanamboarana toby famokarana vaovao 40000 m3 isan’andro ho fanitarana ny ao Mandroseza. Vahaolana maharitra no apetraky ny Fanjakana hamahana ny olan’ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Antony nahatara ny fahavitan’ny fotodrafitrasa ny fisian’ny valanaretina covid-19. Na izany aza, ho tratra mialohan’ny faran’ny taona 2020 ny fahavitan’ny asa rehetra.

rano
Mitohy ny fanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo

 

Pierre M & Yas

Fermer