KolontsainaSongadim-baovao
FESTIVAL « SOMAROHO » ANDIANY FAHA-12: Olona hatramin’ny 100 000 no andrasana ao Nosy Be
Ny 06 ka hatramin’ny 10 Aogositra ho avy izao no hotanterahina ao Nosy Be ny andiany faha-12 amin’ny Festival Somaroho, araka ny nivoitra nandritra ny valan-dresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety omaly, teny amin’ny Campus Yas Andraharo. Araka ny fanazavan’ny Mpanakanto Wawa, izay tomponandraikitra voalohan’ny hetsika, dia ho avo telo heny tamin’izay efa hitan’ny mpankafy hatramin’izay ity andiany manaraka ity. Olona hatramin’ny 100 000 eo rahateo no andrasana.
Tsara ho fantatra fa mpanakanto fanta-daza maro avy eto an-toerana sy avy any ampitan-dranomasina no anisan’ireo ho avy hanafana ny lanonana. Ny tanjona, araka ny fanazavana hatrany, dia mba ho fitaratra aty amin’ny ranomasimbe indianina ny “festival somaroho”. Marihina fa 15 000ariary ny vidim-pidirana.
Anisan’ny mpanohana izao hetsika izao moa ny Yas Madagascar, noho ity hetsika ity manome lanja ny kolontsaina, sy mampisongadina ireo talenta malagasy. Eo koa ny fiantraikan’ny hetsika eo amin’ny lafiny toekarena, ka anton’ny fanohanan’ny Yas Madagascar. Ankoatra azy, dia tafiditra ao anatin’ny mpanohana ofisialy ihany koa ny Groupe Sodiat.
Randriah.




