SamihafaSosialy

KERMESY FAMPIFALIANA NY ANKIZY: nisafidy toerana ivelan’ny renivohitra ireo mpikarakara

 

Anisan’ny mampiavaka ny fetin’ny Paska sy ny Pantekosta ny fisian’ireo hetsika maro entina hampiravoana ny ankohonana. Anton’izany moa ny fisian’ny alatsinain’ny Paska sy ny alatsinain’ny Pantekosta izay natao andro fialana voly ho an’ny isam-pianakaviana. Manome tolotra mifanaraka amin’izany ireo mpandraharaha eto amintsika ka mahazatra ny fikarakarana kermesy lehibe ahitana karazana lalao samy hafa entina ampifaliana ny isan’ankohonana, indrindra ny ankizy. Eny Analakely no ahitana ireo kermesy ireo rehefa amin’ny vaninandro fety. Ho fitandroana ny filaminan’ny tanàna amin’izao ankatoky ny fanamarihana ny fiverenan’ny fahaleovantena izao anefa dia fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra ny fanafoanana ny kermesy eto amin’ny afovoan’ny tanànan’Antananarivo. Iaraha-mahalala mantsy fa miteraka fanimbana sy fandotoana hatrany ny fampivondronana olona maro amin’ny toerana iray.

Ho fampihodinana hatrany ny asa fandraharahan’izy ireo, noho izany, dia nisafidy toerana ivelan’ny renivohitra ireo mpikarakara kermesy tamin’iny fetin’ny Pantekosta lasa teo iny. Anisan’ny nahitana izany ny teny amin’ny By-Pass. Araka ny fanazavan’i Nathy, tompon’andraikitra avy ao amin’ny Happy Parc dia nanomboka ny alakamisy lasa teo hatramin’ny omaly alatsinainy izy ireo no nampifaly fianakaviana maro teny amin’ny manodidina io toerana io. Ny sabotsy talohan’ny Pantekosta kosa no hita fa nihamaro ireo fianakaviana tonga nampifaly ny zanany teny an-toerana. Nitohy hatramin’ny omaly izany ka tsy nahasakana olona maro ny nianoka tamin’ireo lalao marolafy na dia efa alina aza ny andro. Sambany no nisy kermesy lehibe sy maoderina toy io moa ny teny amin’ny manodidina io toerana io. Olona maro, noho izany, no tonga niala voly, hatramin’ireo fianakaviana avy lavitra.
1 000 Ariary hatramin’ny 5 000 Ariary ny saram-pandraisana anjara tamin’ireo kilalao. Anisan’ny nankafizin’ireo ankizy maro tonga teny an-toerana ny fitaingenana lamasinina kely, familiana fiara, na ihany koa fitsambikinana anatin’ireo fitaovana natokana ho amin’izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer