Songadim-baovao

« UNOC 3 » AO NICE FRANTSA: nitarika ny ady sisika iarovana ny tombontsoan’i Madagasikara ny Filoha Rajoelina

Notanterahina omaly maraina, ao Nice, Frantsa ny lanonam-panokafana ny « United Nation conference Ocean » na UNOC andiany fahatelo. I Frantsa sy Costa-Rica no miara-miombona antoka amin’ny fikarakarana izany. Maharitra hatramin’ny 13 jona izao ny fihaonana. Ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, sy ny filohan’i Costa-Rica, Rodrigo Chaves Robles, no nofidian’ireo mpandray anjara ho filoha mpiara-miombona antoka. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana i António Guterres, sekretera jeneralin’ny ONU. Firenena miisa 124 no mandray anjara amin’ ity « UNOC 3 » ity, izay ahitana Filoham-pirenena, Filoham-panjakana sy Lehibena governemanta miisa 63. Mitarika ny delegasiona malagasy amin’ny fivoriana ity ny Filoha Rajoelina Andry, izay otronin’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, sy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny Dr Paubert Mahatante Tsimanaorate. Tomponandraikitra ambony avy amina fikambanana iraisam-pirenena sy rejionaly maro miisa 47 ihany koa no mandray anjara amin’ ity UNOC 3 ity. Isan’ireo i Ursula von der Leyen, filohan’ny Kaomisiona eoropeanina, sy Razafindravahy Edgard, sekretera jeneralin’ny COI.

Iarovana ny tombontsoan’i Madagasikara

Taorian’izay dia niditra avy hatrany amin’ny fivoriana azon’ny rehetra atrehina na “reunion pleniere” ireo mpandray anjara. Amin’ny maha Nosy azy, izay manana 2 390 000 km², dia zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisana anjara amin’ ity Fihaonamben’ny Firenena mikambana ao Nice ity. Porofon’izany ny fandraisan’ny Filoha Rajoelina anjara mivantana amin’ny dinika, sy fitondrana avo ny feon’i Madagasikara, ary koa fitarihana ny ady sisika rehetra iarovana ny tombontsoan’i Madagasikara.

Nampatsiahy ny Filoha Rajoelina fa nosy lehibe iray ao amin’ny Ranomasimbe Indianina, ao afovoan’ny faritra Indianôseania i Madagasikara. Nosy manana harena anaty rano tokana eran-tany, kanefa marefo manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro. Manoloana izany, nilaza mazava ny filoha fa tsy ho mpijery fotsiny i Madagasikara fa ho mpandray andraikitra. Notsipihany avokoa ireo ambana tahaka  ny fandotoana ny ranomasina, ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro, toy ny rivodoza, fiakaran’ny ranomasina, ary ny fanararaotana tsy ara-dalàna ny harena an-dranomasina. Nasehony fa amboarina ho hery politika sy hetsika mazava ireo teboka manahirana ireo.

Ady amin’ny jono an-tsokosoko…

Amin’ny maha mpitantana ny Fikambanan’ny Nosy ao amin’ny Ranomasimbe Indianina (COI) azy, dia natsidiny ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mientana sy ny fanamafisana ny fiarahan’ny faritra. Nasongadiny manokana ny harenan’ireo faritra ara-toekarena an-dranomasina (ZEE) ananan’ireo Nosy kely, izay midadasika lavitra noho ny velaran-taniny.

Eo anivon’ny ezaka nasionaly, dia tanisainy ny fepetra horaisina: ady amin’ny jono an-tsokosoko, fandraràna tanteraka ny fampiasana ara-barotra ireo hazan-dranomasina, ary fanandratana ny toekarena manga amin’ny alalan’ny fizahantany sy ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina. Nampiantso amin’ny fanamafisana ny famatsiam-bola iraisam-pirenena ho an’ireo « États insulaires » izy, ary nangataka famerana hentitra kokoa amin’ny jono indostrialy. Nampirisika koa izy ny fampidirana ireo fahalalana nentin-drazana avy amin’ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka ao anatin’ny politika iraisana. Namaranany ny fandraisam-pitenenany ny filazana fa asa no ilaina fa tsy kabary. Vonona sy manolo-tena i Madagasikara ho mpiara-miatrika, mpiaro ary mpamelona ny ranomasina ho an’ny taranaka ho avy.

Nangonin’i Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer