Songadim-baovaoSosialy
FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA SY FAHASALAMANA: Mankalaza ny faha-10 taonany ny Tambazotra SPE
Miisa 80 mahery ankehitriny ireo mpikambana ao anatin’ny « Réseau Santé Population et Environnement » na SPE, izay tambazotra iray mampikambana ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy manatsara ny sehatry ny fahasalamana eny ifotony. Ny vinan’ny tambazotra dia ny hoe Mponina salama ary afaka miaro ny tontolo iainana, ary miaina anaty « tontolo iainana salama », araka ny nambaran’andriamatoa Andriamalala Nantenaina Tahiry, Mpandrindra nasionalin’ny Tambazotra SPE.
Ny zoma lasa teo no nankalaza ny faha-10 taonany ny « Réseau Santé Population et Environnement » na SPE. Nandritra izany no nanehoana ireo zava-bita tamin’ny alalan’ny fampirantiana an-tsary. Tao anatin’izay folo taona izay dia maro ny zava-bita, indrindra tamin’ny fananganana fiarahamiasa marolafy manerana ny Nosy, izay mahakasika Faritra valo. Nisy ihany koa ny fifampizarana traikefa izay efa natao, teo amin’ny sehatra iraisampirenena, teo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana, araka ny fanampim-panazavana. Ankoatra izay dia nisy koa ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana eny amin’ireo Faritra arovana izay saro-dalana sy lavitra. Nihamafy koa ny traikefan’ireo Vondron’olona ifotony amin’ny fiarovana ny tontolo iainana
Vina ho an’ny 10 taona manaraka ny fitomboan’ny Tambazotra hanenika an’i Madagasikara. Ary koa mba ho lasa fomba fiasa ho an’ny mpiantsehatra rehetra izay fomba fiasa marolafy izay, izay mitsinjo ny mponina sy ny tontolo iainana ary ny fahasalamana, araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny tambazotra hatrany.


