PolitikaSongadim-baovao
FIFANDRAISANA AMIN’IREO DIASPORA: Hatsaraina ny tolotra ho an’ireo Malagasy monina any ivelany
Na dia tsy mbola hahazoana antontanisa mazava aza ny momba ireo Malagasy rehetra mielim-patrana manerana izao tontolo izao, dia efa miha mitombo hatrany ireo misoratra anarana any amin’ireo Masoivoho malagasy any amin’ny firenen-tsamihafa, araka ny fanamarihana nataon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny herinandro lasa teo. Porofo izany fa efa misy fitodihana aty amin’ny tany niaviany ireo Malagasy any ivelany ireo. Izany rahateo no anisany laharam-pahamehana amin’ny dingana voalohany amin’ny tetikasa TADY na ny Tan-tsoroka ho an’ny Diaspora, dia ny fanamafisana ny paikady nasionaly momba ny fandraisan’anjaran’ny diaspora amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Ny herinandro lasa teo, nisy ny atrikasa manokana momba ny fandrosoana farany amin’ny tolotra natokana ho an’ny Malagasy monina any ivelany notanterahin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny. Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa TADY izany hetsika izany. Nisy ny fanadihadiana sy fitsirihana natao teny amin’ny Direction des Diasporas, des Immigrés, des Anciens Quotas et des Migrants (DDIAQM), ary koa tany amin’ireo Masoivoho sy Kaonsilà Malagasy any Frantsa, Maorisy ary Arabia Saodita izay niompana tamin’ny fanombanana ny kalitao sy ny maha-mety ny tolotra efa natolotra hatramin’izay. Miditra amin’ny tapany faharoa amin’ny fanatanterahana azy amin’izao fotoana izao ny Tetikasa TADY, izay tohanan’ny Agence Française de Développement (AFD). Tanterahina miaraka amin’ny fanohanana ara-teknika sy ny fitantanana ara-bola avy amin’ny Expertise France, iarahana amin’ny Institut de Recherche pour le Développement (IRD) sy ny Organisation Internationale pour les Migrations (OIM).
Tetikasa maharitra efatra taona izany, ka tanjona lehibe ny hananganana sehatra ‘ handraisana anjara mavitrika avy amin’ny diaspora amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekaren’i Madagasikara. Nomarihin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny fa ireo Diaspora no Masoivoho voalohan’i Madagasikara any amin’ireo firenena samihafa misy azy ireo.
Nangonin’i LR.




